Indraimbava

Aza be kajy!

Taitra tao indray ny filoha ! Hisy ny fanovana amin’ny governemanta afaka andro vitsy, raha ny tombana satria efa vita ny fisaorana. Betsaka ny fanehoan-kevitra momba izany, nanomboka afakomaly hariva mandraka izao. Fanovana atao inona ? hoy ny malailay fonosana. Tena ilaina kosa, hoy ny mpanohana mahafatra-po. Ireo nilaza fa […]

Politika sosialy fa tsy sosialy politika

Laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’izao ny so­sialim-bahoaka. Mby aiza? Efa misy ny firotsahan’ny mini­sitra an-tsehatra. Izao vao tena tanterahina ny hoe fidinana ifotony? Tsy manabe takolaka any anaty birao, mijery sy mi­haino ny hetahetam-bahoaka. Andrasana ny hoe asa mi­vaingana, azo refesina, miantraika mivantana amin’ny vahoaka… Vitan’ny fizarana fanampiana? Tsy lavina, lehibe sy […]

Mitsanga-mihemotra !

Mbetika hisy, mbetika tsy hisy…mipoitra indray ny resaka fanovana governemanta sy ny governora. Nahoraka hatry ny omaly, fa kihon-dalana tsy azo ihodivirana ny fanesorana sy ny fametrahana ekipa vaovao hiara-miasa amin’ny kaomandà mpibaiko ny lamasinina. Maro amin’ny ekipa no tsy maharaka tsotra izao ny hafangainam-pandeha. Betsaka ny tsy mahari-pery ka […]

Tsy ho voapempo lava !

Miaina anatin’ny tontolo politika mangina tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Eny amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera no handrenesana na ahitana don-tandroka sy fifampihantsiana, miharo fanaratsiana isan-karazany. Tsy misy mipika ny feo amin’ny kajikajy ataon’ny ankolafin-kery samihafa. Ny fanomanana kongresy etsy sy eroa no mafotaka sy mahoraka. Anatin’ny paikady ho […]

Fandriampahalemana marolafy

Vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehan’ny fiton­dram-panjakana amin’izao ny sosialim-bahoaka. Fandriam­pahalemana no voalohany sy lehibe ary maika indrindra amin’izany? Mby amin’ny hoe tsy misy fampandrosoana vanona, raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy ny tsy fisian’ny asan-dahalo sy asan-jiolahy ihany no hoe fandriampahalemana amin’izany, fa eo indrindra koa izay anton’izany. Azo an-tsaina amin’izay heverina ho […]