Mahoraka maneran-tany ny lalao olympika atao any Paris, renivohitr’i Frantsa. Raha ny hita amin’ny tambajotran-tserasera dia ambohimpihaonan’ny zanakolombelona ity renivohitry ny “fanazavana” ity. Mahatonga solontena avokoa ny kaontinanta dimy. Ankoatra ny delegasiona izay ahitana ny mpilalao sy ny mpanotrona, mpameno tanàna ny mpizahantany. Manginy fotsiny ireo mpanefoefo mpandraharaha. Manana […]
Indraimbava
Fafao ny tokotany
Nanakoako ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talata lasa teo. Nihazakazaka ny fandraisana ny fanapahan-kevitra teny an-dapa. Voakasik’izany avokoa ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, ny famotsiam-bola, ny ady amin’ny hosoka sy ny fanararaotam-pahefana. Samy manadio ny tokotaniny avokoa ny mpiantsehatra eny an-toerana na […]
Aleo mailo !
Mbola ao anatin’ny fanadinana bakalorea isika amin’ izao fotoana izao. Miditra amin’ny andro fahefatra ny mpiadina. Efa nisy ny indroindrokelin’ny mpandrafitra tamin’ny fikarakarana saingy milamina amin’ny ankapobeny ny zava-drehetra. Mitohy ny fanadinana ary efa mandray ny andraikiny amin’ny famahana ny olana izay manandrify izany. Ny tiana hisintonana ny lakolosy […]
Miandry ny mpamono baolina
Anatin’ny famitana ny lisitr’ireo olona hisafidianana ho minisitra ny tomponandraikitra ho amin’izany. Efa sasa-miandry ny mangataka toerana, indrindra ireo mpanohana mahafatrapo, mitady valimbabena. Samy manao izay ho afany amin’ny fanohanana sy ny fitadiavana lalana ny mpiara-mitolona. Tsy maintsy mitady olona azo itokisana sy afaka ny hanotona ny angovony 100% […]
Minisitra miasa
Misokatra ho an’ny kandidà rehetra te hiditra minisitra indray aloha ny lapa. Tsy ankanavaka izany fa izay vonona dia afaka mandefa taratasy fangatahana toy ny mpitady asa rehetra. Efa nilaza rahateo ny filohan’ny Repoblika fa tsy mirotoroto amin’ny fanendrena mba hahafahany misafidy tsara izay ho sakaiza mahatoky sy vonona […]




