Indraimbava

Miandry am-pitoniana

  Anatin’ny fandraisana ny antotan-taratasy mombamomba izay kandidà ho minisitra ny tomponandraikitra, ankehitriny. Mbola tsy voafaritra mazava ny daty hivoahan’ny anaran’ireo ho mpikambana vaovao anatin’ny governemanta. Maka fotoana rahateo ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambarany. Tsy misy ny mahamaika sy hirotorotoana fa efa vita aloha ny dingana goavana anankiroa: Praiminisitra […]

Vaovao voaova

  Hisy fiovana amin’izay ny politika eny anivon’ny Antenimierampirenena? Lapan’ny demokrasia… Amin’izao, voagidragidra ireo depiote hoe tsy miankina. Ambetin-dresaka amin’izany ny hoe mamita-bahoaka: mahaleo tena no nifidianana azy ireo, fa tsy hoe hirona atsy na aroa. Mety hiovaova araka ny fitsokan’ny rivotra politika ny fironana? Na inona mitranga sy atao, […]

Masinina haingam-pandeha

  Miridana tsy misy ohatran’izany ny raharaham-pire­nena. Milomay mafy ny fametrahana ny olona hibaiko sy hitondra firenena. Poa toy izay, voarafitra ny birao maha­ritra ao Tsimbazaza. Tsy niandry ela ny fanendrena izay ho Praiminisitra. Ary anatin’ny fotoana fohy dia hiseho masoandro ny mpikambana anaty governemanta. Misy dikany politika goavana izany […]

Tsy ho diso anaty kajy

  Vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho mpikambana anatin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Araka ny efa nampoizina, izay tanaty ny lisitra nivoaka teny amin’ny Arena, Ivandry, ihany no nisafidianana sy nolaniana. Maty paika sy tsara rindra ny fametrapetrahan’ny filohan’ny Repoblika ny fototry ny sezany. Mandeha araka ny zotra iheverany […]

Mahay milalao !

  Mbola mitazona ny sain’ny mpanara-baovao ny mahakasika ny raharaha eny amin’ny Antenimieram­pirenena, indrindra ny momba ny fifidianana izay ho birao maharitra. Raha ny tetiandro, anio no ho tafapetraka amin’ny fomba ofisialy izy ireo. Miandry ny havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mahakasika ny fitsipika anatiny dia raikitra ny zava-drehetra. […]