Indraimbava

Kolikoly !

Tsy misy sehatra iray ka tsy ahitana na andrenesana kolikoly amin’izao fotoana izao. Tena manafotra ilay fiarahamonina ny zava-misy. Very hasina tanteraka ny maha olombelona. Tsy miteny rehefa tsy vola. Ny endrika ivelany sy fisehosehoana no zary maridrefy ilazana fa « izany ka tena olombelona ». Tsy misy lanja intsony ny fanahy […]

Fandriampahalemana… mahafaoka be sy marolafy

Mby aiza ny sosialim-bahoaka amin’izao? Hoe hatao laharam-pahamehana, vaindohan-draharaha, imasoana… Efa mba misy fihatsarana hatrany ifotony ve, ohatra, ny fiainam-bahoaka? Amin’ity hoe tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny fampandrosoana mivantana ny firenena ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, izay maika sy lehibe fa antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Ny mpitondra no manjaka dia ny […]

Ho lavitry ny loza !

Fiteny mahazatra isan-taona rehefa fetin’ny Paka tahaka izao ny hoe fety ieren-doza. Samy manezakezaka avokoa ny ankolafin-kery rehetra misy eto amin’ny firenena manao izay hanatrarana ny tanjona. Torak’izany ny isan-tokantrano, mitady ny fomba hanao­vana fety am-pahatsorana sy arakaraka izay ho enti-manana. Tsy misy maharatsy ny fanaovam-pety tokoa, fa mila fifehezan-tena […]

Ho voky !

Nankalaza ny andron’ny alakamisy masina ny mpino kristianina, omaly. Andro namoronana ny eokaristia masina, izay marika famantarana mandraka ankehitriny fa miaraka amin’ireo mpino azy hatrany i Jesoa Kristy. Andro lehibe ho an’ireo manara-dia azy izany, satria fanamafisana ny fifamatorana. Mofo sy divay, na vatana sy ran’i Kristy, famantarana ny fitahiana […]

Misamboaravoara

Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra hatrany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Mijohy ny orana amin’ny faritra maro, hany ka mananosarotra ny fifamoivoizana. Dibo-drano ny toerana iva. Miaina anaty petsapetsa ny « ambanitanana ». Zava-doza, mitsi­kafona manerana ny tanana ny diky. Milomano anaty loto tanteraka ny mponina. Ankoatra izay, feno fandrika amin’ny lavaka ny arabe. Mahita […]