Vita izy izay! Nilamina ny zava-drehetra. Misokatra ho an’ny solombavambahoaka vaovao ny Lapa eny Tsimbazaza. Nivoaka ny didy tsy azo ivalozana. Tsy misy intsony ny fampiakarana raharaham-pitsarana na aiza na aiza. Izay te hiady amin’ny resaka ady heloka bevava sisa no afaka manenjika ny kandidà nifaninana, noho ny fandikan-dalàna hafa. […]
Indraimbava
Hatsimbadika ny rasa ?
Anio amin’ny misandratrandro no hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Andrasana izay ho mpandresy ka hisandratra, handrombaka ny amboara nimatimatesana. Efa maromaro ihany ny kandidà lany teny amin’ny Ceni, no tazana eny an-kianja rehetra eny, ary efa misalotsalotra ny maha depiote, voafidim-bahoaka, azy. Asa hanao […]
Tsy mahantra ny Malagasy
Mihanoka tanteraka anatin’ny asaramanitra Ramalagasy. Fety aman-danonana natokana hanamarihina ilay fahaleovantenan’ny firenena, feno 64 taona. Fiaraha-mikoragna sy mifaly manerana ny tanàna. Hanadinodinoina ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-batan’olona. Mahavariana ny mahita ny ankamaroan’ny olona manjifa ny tolotra fialamboly etsy sy eroa. Mifanitsakitro manerana ny tsena. Mipetraka ny fanontaniana: mitombona ihany ve […]
Marin-toerana… mandroso
Hanao ahoana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ny amin’ny fifidianana depiote? Raha ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni: mahazo toerana 81 eny Tsimbazaza ny Irmar, 55 ny an’ny tsy miankina, 22 ny vondrona Firaisankina, efatra Fivoi, iray Kôlektifa an’ny Malagasy. Mety hisy ve ny fahagagana? Na fitsimbadihan-javatra amin’ny fotoana farany… Hanao […]
Hambom-po
Nahafinaritra ery ny nijery ny fifamoivoizan’ny « teleferika », omaly. Nahoraka izaitsizy teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo naka tsirony, nitsingevaheva teny ana habakabaka. Tena hoe raitra sy taratry ny fandrosoana tokoa. Nidanaka ny mpitazana avy ety ambany, dibo-kafaliana ny mpijery avy eny ambony! Variana Ramalagasy! Andro iray, nampihetsika ny hambom-po, omaly. […]




