Indraimbava

Depiote « malety »

  Nahoraka ny fanambarana nataon’ny solombavambahoaka, voafidy tamin’ny lisitry ny tsy miankina, izay miisa 51. Nirona any amin’ny fanohanana ny fitondrana sy ny filohan’ny repoblika am-periansa izy ireo. Tsy mahagaga izany, satria saika ireo olona mpanohana, tsy nahazo ny taratasy fahazoan-dalàna ho fidiana ihany izy ireny. Misy no nalefa handravana […]

Vonona hanompo

  Anatin’ny fotoam-pitondrana faharoa an’ny filoha Rajoelina tanteraka isika izao. Hiditra amin’ny dingana manaraka, dia ny asa amin’izay. Azo lazaina fa efa mihodina ny lamasinina amin’ny fanatanterahana ny iraka isam-paritra izay nilokalokana tamin’ny fampielezan-kevitra. Porofon’ireny, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny delegasiona notarihiny, nizaha ny fanamboarana ilay lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo […]

Manova famindra

  Samy miomana amin’ny fanovana governemanta indray aloha izany ny rehetra manomboka izao. Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Nilamina ny zava-drehetra na maro aza ny mpamendrofendro sy ny mpanatsatso, indrindra ny mpandrangitra. Nahoraka rahateo ny hala-bato sy ny hosoka, avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mazava anefa ny an’ny vahoaka, […]

Tsy miankina… tsy fiankina

  Mahabe adihevitra amin’izao ny toeran’ny tsy miankina eny amin’ny Antenimierampirenena? Eny, na mazava izao aza fa misy ny fahazoana maro anisa feno sy tanteraka. Mby amin’ny filazan’ny mpandinika iray izay hoe na ho any amin’ny fanoherana aza izy ireo, tsy hanova inona firy. Raha tsy hoe hiandany any amin’ny […]

Solom-bava mba aoka…

Hilamina amin’izay ny tany sy ny fanjakana? Indrindra ny politika… Misy ary voamarina ny fahazoana maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena; eny, na eo aza ny karazana kajikajy sy fampitandremana politika: tsy tokony hiandany hatramin’ny farany ireo depiote tsy miankina, mila miverina amin’izay niaviany ireo avy amin’ny antoko politika… Na ahoana […]