Indraimbava

Aza avadika ny rasa

Mangotrakotraka ny raharaha politika, mandra-pivoakan’ny mpikambana vaovao amin’ny governemanta. Mahazo vahana mifanaraka amin’izay ny olam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Taiza teto Madagasikara no misy izany hoe mivaro-janaka eny amoron-dalana, raha tsy vao izao. Ny hanamarina na handiso ny vaovao aloha hatreto sarotra ihany, ho an’ny mpanao gazety, izay tsy afaka midina […]

Malalaka ny banja !

Atao veloma anio, raha tsy misy ny fiovana, araka ny vaovao farany voaray ny governemanta Ntsay Christian. Efa mahoraka rahateo ny vaovao mahakasika ny fanovana tanteraka ny mpikambana ao anatiny. Mbola tsy misy mipika aloha ny vaovao manodidina izany, afa-tsy ny filazana fa efa misy anarana olona dimy , mikatsaka […]

Tsy ho rebireben’ny mpandrabiraby

Efa niparitaka any anaty fitaovan-tserasera samihafa, any anatin’ny departemanta isan-karazany any fa ho tara ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity volana ity. Efa misy ny antso avo ataon’ny lehibe isan-tsokajiny amin’ny mba hisian’ny fitoniana sy fanajana hatrany ny lamina. Tsy voafaritra mazava hatreto ny antony fa ny hany azo ambara, eo am-pitadiavana […]

Governemanta… masaka

Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tsy azo ihodivirana ny fanovana na fanamboarana ny governemanta? Ho hita eo… Governemanta masaka amin’ny resaka etsy sy eroa ny amin’izao? Indrindra taorian’ireny fanangonan-tsonian’ny depiote sasany hangatahana fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireny… Na ny mpiray donak’afo aza, nisara-kevitra be ihany tamin’iny raharaha iny. Efa nilamina? Na […]

Manezaka kely

Anatin’ny maitsoahitra tanteraka isika. Tena mampikolay ny vidim-piainana, indrindra ilay foto-tsakafo mampiavaka sy mampalaza antsika maneran-tany dia ny vary. Nikaikaika ny mponina, tsy ny an-tanàn-dehibe ihany, fa hatrany ambany ravinahitra rehetra any. Tsy mampino hoe, any ambanivohitra, heverina fa misy ny maro an’isa, amin’ilay 80 % tantsaha no tena voa […]