Indraimbava

Samy amin’ny adiny

  Andaniny, nangingina ny mpanao politika tao anatin’ny andro vitsy izay. Samy maka saina sy mikononkonona ny paikadiny manokana mialoha ny vokatry ny HCC. Na ireo avo feo sy ny tsy manaiky resy mora foana aza efa samy nanakombom-bava. Ny fifampiangana madinidinika sy ny fifampihantsiana ankolaka no mandeha any ambadika […]

Mila misikim-ponitra !

  Mamofopofona asaramanitra ny tanàna. Nanomboka omaly ny fametrahana ireo fitaovana fanamafisam-peo amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, hanaovana ny «  podium ». Efa mahoraka ny kerimesy isaky ny sakelin-tanàna. Feno hipoka hatrany ny trano fisotroana. Mahazo mpanjifa maro ny mpanao “kodia kely” sy ny “ tornieky”. Maresaka e! Mifanindran-dalana amin’izay, […]

Mba ho tan-dalàna

  Nahoraka tampoka teo, omaly, fa tsy maintsy havoaka ny faha-21 jona ho avy izao ny voka-pifidianana ofisialy avy eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Mila manatrika ny fetim-pirenena miaraka amin’ny samboady ry tsy mahandry tantana sy tia sehoseho. Asa fa izay tokoa ve ilay hoe ny « werawera tsy […]

Ny vahoaka aloha !

  Mety ho amin’ity herinandro ity no andrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Mazava iny ny fitsipi-dalao avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy hajaina ny safidim-bahoaka, hoy izy. Na iza na iza, araka izany, lany dia efa misolo tena ny vahoaka malagasy izy izay. Didy […]

Mahay resy

  Mbola mahabe resaka ny valim-pifidianana depiote. Mampitsanga-mitoetra ny fiandrasana ny ofisialy havoakan’ny HCC… tsy azo ivalozana. Na ahoana na ahoana, misy hatrany ny tsy afapo. Na manohitra… Tsy mahazaka resy? Nefa matoa mirotsa-kofidina na mandrotsa-kofi­dina, mety ho resy na mandresy. Mila mivonona sy mahazaka izany. Tsy misy ilana fifaninanana […]