Tafapetraka soa aman-tsara ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipahan’ny solombavambahoaka ny fitokisana ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tapitra rahampitso rahateo ny fe-potoana, tsy maintsy handefasana izany anaty fifidianana ampahibemaso azon’ny besinimaro hatrehana, ao Tsimbazaza, araka ny voatondro amin’ny Lalàmpanorenana malagasy. Mihazakazaka ny raharaha, tsy nampoizina ny zava-niseho tao anatin’ny 48 […]
Indraimbava
Mila fiaraha-mientana !
Resabe tato anatin’ny andro vitsy ny fiparitahan’ny sary eny amin’ny tambajotran-tserasera, mahakasika ny mpanakanto mampirantiranty fitombenana sy manao fihetsika « mamoafady ». Maro ny tafintohina, saingy betsaka ihany koa ny niaro ireny mpanakanto ireny. Andaniny, misy ny milaza fa mandala ny soatoavina sy ny hasina maha Malagasy ka manankiana tsotra izao ireo […]
Mikatso ny lamasinina ?
Vaovao iray niteraka resabe tetsy sy teroa, ny tsy fandraisan’ anjaran’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisan’ny Nosy ho an’ny tanora, izay ato any Maorisy, nanomboka ny alahady lasa teo. Zava-dehibe manamarika ny maha firenena manana ny maha izy azy anefa ny fandefasana delegasiona tany an-toerana. Mifanontany tena ny rehetra amin’ny antony […]
Fampandrosoana iaraha-manana
Hatramin’izao, resabe etsy sy eroa hatrany ny amin’ny sosialim-bahoaka na ny fiainam-bahoaka ifotony: ahoana ihany, aiza… Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny karazana fanampina sy tosika. Na izany aza, tsy hita be ihany ho an’ny sasany tsy mety afa-po? Na tsy laharam-pahamehana, na tsy tena imasoana, na tsy zava-dehibe… […]
Tsy marefo izany…
Teboka iray lehibe no andeha horesahina anio. Ny mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny olona manana fahasembana rahateo isika anio. Hatramin’izao, mbola iharan’ny fanambaniana sy ny fanilikilihana hatrany izy ireny na eny anivon’ny fianakaviana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy nisy nisafidy ny hanana toe-batana […]