Indraimbava

Mahaiza misaotra sy mankasitraka

Vita soamantsara ny lanonam-pankasitrahana ny Barea, omaly, teny Iavoloha. Nahazo mari-boninahitra arakaraka ny zava-bita ny rehetra. Mendrika azy ireo ny fihetsika nataon’ny fitondram-panjakana, mifanentana tamin’ny ezaka nataon’ny tsirairay sy ny ekipa. Nitazona ny teny nomeny ny filoham-pirenena. Tsy nanao mizana tsindrian’ila. Nipetraka ho raiamandreny, nampitovy lenta ny ekipam-pirenena sokajy voalohany […]

Leo fahantrana… mazotoa mifidy !

Ohatrany hoe tsy mba misy zavatra mahafinaritra izany eny anivon’ny firahamonina malagasy, ankehi­triny ! Vokatry ny fahantrana, zary manaotao fahatany ny sarababem-bahoaka. Maro ny mamono tena, betsaka ny fametavetana ny maha-olona, very hasina ny aina. Bai­koin’ny vola sy ny tsy fisiana. Manahi­rana na ny mire­saka azy aza ! saingy tsy maintsy vakiana […]

Resaka « Tsalenjy »

Tankina ny vava, sadaikatra ny tanana hanoratra, sanganehana ny saina mandinika azy, tohina ny fo mijery azy ireo. Izay no azo hamehezana ny zava-nisy omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera « facebook ». Tsy tahotra tsy henatra ny tanora, mandray anjara amin’ilay resaka fifaninanana, fahasahiana mifanoroka imasom-bahoaka ny samy lehilahy. Ho tambin’izany ny fanomezana vola […]

Mba tia tanindrazana

Vita izay ny fetibe « Barea ». Miverina amin’ny roto­rotom-piainana ny vahoaka malagasy. Ady sy tolona ilay vidim-piainana. Efa tafakatra 3500 Ar ny kilaom-bary, voatabia iray aza moa vidiana 500 Ar ! Santionany ireo fa mila mijery akaiky ny zava-misy isika mianakavy. Tsy hiandrasana ny mpitondra fanjakana, izay sahirana amin’ny tontolo politika hatramin’izao. […]

Ady tsara… ady fiady

Ny firafitra na ny mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hoe olan’ny mpanohitra sasany amin’izao. Mila fanovana, hono, fanamboarana. Toy izany koa ny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Ny lalàna no mila finitsiana? Indray voafaoka amin’izany ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, anisan’ny mampitaraina […]