Indraimbava

Mifety amim-pahamendrehana

Rahampitso no hivalona tanteraka ny taona. Samy efa nahavita ny jery todika sy ny tomban’ezaka avokoa angamba! Mety efa vita hatramin’ny drafitrasa amin’ny taona ho avy aza. Mba nanao ahoana tokoa re izay ny an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo? Niaraha-mahalala ny fahasahiranana isan-karazany, indrindra ny olana sosialy sy toekarena. […]

Mafana !

Mafampana ny raharaham-pirenena na eo aza ny fety. Mbola mitohy ny fifampihantsiana sy ny fifandrangitana eny amin’ny tambajotran-tserasera ataon’ny herivelona rehetra. Na ny mpanohana an’izatsy , na ny mpiandany amin’izaroa dia samy manovokovoka. Tsy misy fitoniana politika izany, tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy mahasakana ny mpankafy sy mpanohana mahafatra-po tsy […]

Mila filaminana

Mazava be toa karatry naivo ny tatitra mikasika ny fankalazana ny krismasy fa nahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. An-jatony ny olona voasambotra noho ny halatra, fanendahana, fandrobana, vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana. Maro ny tsy manan-tsiny lasibatra. Betsaka ny fongana fananana sy very herim-po tanatin’ny minitra vitsy monja. Tao anatin’ny […]

Tandindomin-doza

Tena mihanoka anaty  fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny orana manerana ny  faritra maro eto amin’ny Nosy. Andaniny, ao  ny sahirana sahady amin’ny  ranobe. Mitaintaina amin’ny trano fonenana sao ho lasan’ny rano na mirodana. Tsy ferana ny miara-matory amin’ny maloto izay hatsinkafon’ny rano satria aloan’ny lakandrano  tsentsin’ny fako. […]

Jery todika… ivoho

Amin’ny famaranan-taona na tonon-taona toy izao, fomba ny manao jery todika ny lasa: inona ny tsy vita, ny mila harenina, ny tsara tohizana? Miainga amin’izany ny famaritana sy fanoritsoritana ny hatao sy kendrena amin’ny ho avy. Sao ny eo tsy vita ka be famaritra, na efa nitera-pahavoazana ny teo aloha […]