« Arahabaina ny andriambavilanitra… tratry ny asaramanitra!? ». Toy ny firenen-drehetra maneran-tany, mankalaza ny andron’ny 8 marsa, hoenti-manamarika ny ady natao higohan’ny vehivavy ny zo fototra tokony hananany i Madagasikara. Maro ny hetsika enti-manamarika izany manerana ny Nosy. Hetsika mampiseho fa mahavita azy ny vehivavy, mendrika ny homen-kasina, tsy ho ambakan’ny […]
Indraimbava
Tompony mangataka atiny
Mandalo andro ratsy i Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny ora manerana ny faritra maro. Anisan’izany ny eto an-drenivohitra izay niharo havandra sy tafio-drivotra tamin’ny sakeli-tanàna sasany. Mamaivay kanefa manjombonjombona hafahafa ilay toetry ny andro. Tsy hita izay andraisana azy fa ilay volonandro mitondra aretina sy fahasorenana mihitsy. Mifanindran-dalana amin’izany, tsy […]
Indroa mahita ny maizina
Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly sy afakomaly, ny mahakasika ilay Da-Willy mpanolana. Samy nanovokovoka tamin’ny fanomezan-tsiny sy ny fitsaram-bahoaka avokoa Ramalagasy tsivakivolo. Rariny sy hitsiny izany satria iza no tsy maharary amin’izany atao hoe zaza «tsy manan-tsiny» izany. Tafahoatra sy feno habibiana rahateo ny zava-niseho. Nahafinaritra sy nahavelombolo aoka izany […]
Mahay mifampitsinjo
Raha somary kivikivy amin’ny rano sy ny loto izay entin’ny orana ny eto an-dRenivohitra, hita ho velombolo tanteraka ny mponina any ambany ravin-kazo rehetra any. Ampy tanteraka ny rotsakorana ho an’ny fambolena tamin’ity taona ity. Tsy dia hitan’ny vilany firy izany mahandro fotsy izany. Somary tsy ren’ny isan-tokantrano any […]
Ady anaty… miseho ivelany
Misy ady anaty ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao: iza no ho kandidà aiza? Amin’ny fifidianana depiote io. Misy ny efa mitonon-tena eny amin’ny vahoaka amin’izany fa vonona, ny mandoka tena amin’ny fitanisana zava-bita sy izay mbola hatao, ny matoky tena ka miandry amim-pitoniana izay ho fanapahan-kevitry […]




