Indraimbava

Mpifahavalo miray vilia

  Raikitra ity! Efa manomboka ny fampivondronana ny ekipa, hilalao amin’ny fifidianana depiote, ny 29 may 2024. Efa miakatra aty an-dRenivohitra ireo mihevitra ny ho kandidàn’ny antoko manohana ny filohan’ny Repoblika. Mafotaka ny adisisika sy ny ady toerana. Efa mifanipaka an-toerana toa valala an-karona rahateo izy mianakavy. Tsy mbola misy […]

Mihantsy fanjakana

  Loza amin’atambo ! Tafakatra 144 ny tahan’ny fanolanana nitranga eto Madagasikara tao anatin’ny roa volana. Mifanandrify indrindra amin’ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika amin’ny hanasaziana mafy dia mafy ny mpanolana : ny famosirana. Maharikoriko ny mahita ny firongatry ny tranga miseholany eny amin’ny tambajotran-tserasera. Isan’andro vaky, misy zazavavy kely na tovovavy tsy ampy […]

Iray tsy mivaky

  Nankalaza ny andro natokana ho an’ny tenindreny i Mada­gasikara, omaly. Nanakoako na tsotra aza ny fomba nentina nanamarika izany. Iza tokoa no tsy hihambo amin’ny azy sy ny maha izy azy ? Indrindra fa firenena latsaka an-katerana tahaka izao. Firenena sy vahoaka izay mila ny fiaraha-mientana sy ny fifanohanan’ny rehetra. […]

Takon’ny vola

Ohatry ny somary nangingina izany ny fiainana politika eto amin’ny tanàna. Asa ? Samy efa manomana ny eny an-kianja, hiatrehina ilay fifidianana depiote afaka vola vitsy ve?. Ny eny anivon’ny mpanatanteraka, somary tsy re feo ny mahakasika ny sekreteram-panjakana sy ny ho mpiara-miasa aminy. Mbola mitety tany, mamita adidy rahateo ny […]

Haitao… hay atao

  Mihazakazaka be amin’izao ny fivoarana sy fampiasana ny haitao vaovao, avo lenta, mivelatra… Tsy azo ihodivirana fa azo ampiasana azy avokoa ny sehatra rehetra: manamora ny fiainana, manafaingana izay atao, mampandroso… Mampifanakaiky izay mifanalavitra, ohatra, ny haitao. Misy na tsy ilaozan’izay lafiratsiny toy ny zavatra rehetra izay fihazakazahana amin’ny […]