Anisan’ny depatemanta iray, andrin’ny firenena ny eo anivon’ny fanabeazana. Anisan’ny minisitera mahabe resaka indrindra ihany koa anefa ny fomba fiasany amin’ izao fotoana izao. Asa noho izy manakaiky vahoaka sy mahakasika mivantana ny ankizy sy ny zatovo? Teboka iray mbola ifandrirotana ny mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, Lohahevitra tsy azo […]
Indraimbava
Sadasada sy fitaka
Mihazakazaka izaitsizy ny fanomanan’ny tsirairay sy ny fikambanana ary antoko manan-katokona hoenti-miatrika ny fifidianana solombavambahoaka, hatao ny 29 mey ho avy izao. Ny antoko goavana sy ny vovonana mpanohitra aza efa nahavita namoaka ny anarana sy ny fahazoan-dalana ho an’ny kandidà hirotsaka amin’ny anarany. Andrasana ny avy amin’ny fitondrana na […]
Mitady ho very !
Nankalaza ny Taom-baovao malagasy isika afakomaly sy omaly. Nahafinaritra sy nahavelombolo ery ny mahita ilay hoe: « an’ny tena ». Tsy nahoraka be toy ny fetim-bazaha akory na andro tsy fiasana, toy ny lanonan- dehibe. Ny zava-dehibe, manomboka mamerin-kasina tsikelikely izay mampiavaka azy ilay Malagasy. Indrindra ireo heverina fa manampahefana manokana […]
Ady an-toerana… hilaminana
Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy. Ny amin’ny fanasaziana amin’ny alalan’ny famosirana ny raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona no antony. Nisy ny fampiakaram-peo amin’ny fiarovana zon’olombelona. Tonga hatramin’ny fitsabahana amin’ny raharaha anatiny ny avy any ivelany amin’izany? Ao ny mihevitra fa izay […]
Vita izay ny fety !
Naresak’olona ny tanàna, omaly ! Hita fa tompon’ny fanentanana mihitsy ny vehivavy tamin’ny toerana rehetra nisy kivorivory sy namoriana azy ireo. Nahoraka ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa manerana ny Nosy. Samy nanao izay ho afany, hatrany amin’ny fokotany faran’izay madinika indrindra. Niavaka ny vakodrazana sy ny fanamiana nitovy. Nahafatifaty izaitsizy […]




