Indraimbava

Lalao madio !

  Manomboka anio ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’izay maniry ho solombavambahoaka. Midika izany fa roso tsa mipody koa ny fanoloana ireo eny Tsimbazaza. Hatreto, milamina ny zava-drehetra, na efa misy aza ny ady saritaka any anaty antoko sy fikambanana isan-karazany any. « Tsy manakana ny omby tsy ho […]

Mankany mankany …?

  Mandeha mankaiza marina ity firenentsika ity. Tsy hita ny teny ilazana ny fidangan’ny vidim-piainana. Tena tsy mitsahatra andro aman’alina fa mirimorimo izaitsizy. Tena mahakivy ny mahita ilay kapoakam-bary efa mananika ny 1 000 hatramin’ny 2 000 Ariary, arakaraka ny faritra. Toraka izany ny siramamy, misy efa 7 000 Ariary […]

Lanja miakatra

  Tsy misy tsy miakatrakatra amin’izao fotoana izao? Mby an-tsaina voalohany amin’izany ny vidim-piainana. Tsy mety ho voafehy tanteraka? Lanja miakatra tsinona ny fiainana. Na tsy misy vidim-piainana midina izany, araka ny fitenin’ny mpanatsotra resaka. Na lazaina ho marin-toerana na voafehy aza ny vidim-piainana, tsy mahasehaka izany ny fahafa-mividy: kely […]

Tsy manary toky

  Tsy voatery ho maizina foana ny fiainana eto Madaga­sikara. Raha midangana izaitsizy ny vidim-piainana, manjaka ny endri-pandikana lalàna, sehatra mahafinaritra sy mahavelombolo kosa ny tontolon’ny fanatanjahantena. Na tsy anisan’ny telo voalohany aza i Madagasikara, ohatra, any amin’ny Lalao Afrikanina, tsy mody maina toy ny taloha intsony ny Malagasy mpilalao. […]

Tany hanototra!

  Fomba fiteny mahazatra hatrizay ny hoe: tany hanototra ve ka hiadiavana. Tsy mitombina intsony izany ankehitriny. Rangory fototry ny afo amin’ny fifamonoana sy ny fifampisaraham-bazana amin’ny mpiara-monina ny ady tany. Firifiry ny mpiray tampo no mifanindrona antsy na mifandatsaka aina? Firifiry ny mpiray tanàna no mifandramatra sy mahavita mifampitory […]