Hazakazaka arahin-tosika ny an’ny filohan’ny Repoblika sy ny ekipan’ny minisiteran’ny Angovo amin’ny fizarana jiro. Fanatanterahana ny fampilezan-kevitra natao tamin’ny novambra ny fanomezana ilay « Hazavana ho an’ny rehetra ». Manerana an’i Madagasikara ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana. Samy mahazo izany na ny an-tanàn-dehibe na ny any ambanivolo na ny aty an-drenivohitra na […]
Indraimbava
Fomba mamohehatra!
Arakaraka ny maha akaiky ny datim-pifidianana, vao maika mangotraka ny kapakapa ranjo sy ny ankisompatra. Izay heverina fa matanjaka sy mamim-bahoaka ka mandresy ny kandidàn’ny fanjakana no lasibatra. Tsy misy ankitsitsy io fa izay sendra ny henjana dia iharan’ny antsojay. Misy kandidà izay kofona mihitsy amin’izao fotoana izao. Tsy […]
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy
Anatin’ny fampielezan-kevitra ny mpanao politika. Mihazakazaka ny fambaboana vahoaka, indrindra ny mpifidy handatsa-bato. Raha ny ranty etsy sy eroa dia izay mivoaka babany avokoa. Raha ny olona mivorivory sy tonga maka “kadoa” dia hoe ho maro ny hanao poa-droa. Eny e! Izay rahateo moa no kolontsaina napetraka ho maridrefin’ny […]
Folaka an-dantony !
Resabe tamin’ny tambajotran-tserasera sy eny anivon’ny fiarahamonina ny firongatry ny olona maty tanora. Betsaka ireo folaka an-dantony, antsoin’ny “Ray” manomboka eo amin’ny fahatelopolo taona. Tena mahonena sy mampametra-panontaniana. Nahoana no sompatra loatra ilay fiainana, mamela kamboty sy mananontena tsy ” lera” ? Ny tena loza, zary maro ny ray […]
Fa(ha)matorana politika
Hanao ahoana ihany ny ho vokatr’izao fifidianana depiote izao? Eo ny vahoaka hoe tompom-pahefana sy tompon’ny teny farany handinika, hitsara, hanapa-kevitra. Azo anombanana izany ny fampielezan-kevitra? Samy manana ny fomba fiadiny ireo vondrona na vovonana politika mbamin’ny kandidà; eny, na ny tsy miankina aza. Izay hahazoana ny vaton’ny mpifidy […]





