Amin’ny ankapobeny, roso toy tsa mipody koa ! Mandeha ny fifidianana ary tsy misy mahasakana izany aloha mandraka anio. Rahafakampitso, miroso any amin’ny fandatsaham-bato ny mpifidy miisa 11040 000 mahery. Efa vonona tanteraka ireo any amin’ny rantsa-mangaikan’ny vaomiera mahaleo tena mikarakara ny fifidianana any ifotony. Ny mpandatsa-bato sisa no andrasana. […]
Indraimbava
Miova vao manova
Amin’ny politika, na mahavoa na voa roa: fanaovan-javatra amin’ny fotoana tena ilana sy mety ary tsara anaovana azy. Efa fahaizana politika ny fahalalana sy fanararaotana ary fahazoana antoka izany. Eo koa izay atao amin’izany, ny fomba fanaovana azy, ny olona hanao… Tsy fanaovana kitsapatsapa izany, tsy atao amin’ny fahazarana, […]
Tsy misy ny lafatra
Mampihoron-koditra ny amban’ny hetsika politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana anio, indrindra ny eto an-drenivohitra. Andaniny, mitombo an-dalana ny vondrona sy olona mitaky ny hanemorana ny fifidianana. Azo lazaina fa nivadika tanteraka tamin’ny namany sy ny mpiara-mitolona taminy ireo milaza fa raiamandreny eto amin’ny firenena. Niala lavitra ny […]
Diso kajy
Somary nangingina ny tanàna omaly. Nilamindamina ny teto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny. Samy miandry izay hiafaran’ny toe-draharaha politika, enina andro mialohan’ny fotoam-pifidianana. Ny mpanao fampielezan-kevitra mandeha, ny mpamory vahoaka tsy miala an-daharana. Manoloana izany ny vahoaka madinika no mizaka ny tsy eran’ny aina. Aiza rey olona no misy kilaom-bary efa […]
Tsy ho folaka an-dantony!
Avo lenta loatra ilay kajikajy any anatin’ny filalaovana politika eto Madagasikara. Mibaribary fa viraviraina ilay vahoaka. Lalaovina ny fony, tsinontsinoavina ny hambom-pony ka atao sorona ny ainy. Mafy loatra ny fitiavam-pahefana ka tsy mahandry tantana. Mipololoatra toa tsy hay vonoina ny vainafon’ny fankahalana ka mitrifana. Indrisy anefa, mirona amin’ny […]




