Indraimbava

Mila lamina

Hatramin’izay, itaizan’ny sasany saina mandrakariva ny hoe fisian’ny krizy politika aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy mbola tafavoaka ny ala amin’izao? Tsy fahendrena ny mibitaka ambony ihany. Ny mahery tsy maody tsy ela velona. Tsy ilaozan’izay tsy maty voalavo an-kibo? Na mila lamina… Na inona na inona […]

Tsy mila kolikoly ?

  Hivoaka anio amin’ny misandratra andro ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Efa samy sasa-miandry izany avokoa na ny mankasitraka na ny tsy mankasitraka ny fifidianana. Ny mpomba ireo kandidà telo, nandray anjara efa samy somebiseby, hijery izay taham-bato azon’ny olona notohanany. Ny […]

Maimbo…Maimbo !

  Isan-taona, amin’ny vanim-potoana tahaka izao dia efa manimanitra asaramanitra ny tanàna. Efa mivolo andro noely ny eny an-tsena. Ny isan-tokantrano aza efa misy ny mametraka ny hazon’ny krismasy. Izay mba manamanan-katao efa mifanenjika laharana eny amin’ny mpanjaitra. Manomana fatratra ny hihaonana amin’ny fianakaviana iray manontolo. Tsy nifanenana nandritra ny […]

Samia mitandrina

  Miverina ary tena mahavoa olona maro ny Covid-19, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Manginy fotsiny, mikiky olona maro ny gripa mahery vaika. Tsy mitsitsy fa izay voa aloha dia mandamaka am-pandriana. Tsy maha lehilahy lehibe, tsy maha tompon’ny hery fa mandripadripaka ny aretina. Soa fa tsy mahafaty ! Azo sy mora […]

Akombony ny vava !

  Mahatsiravina toa maharikoriko izany ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Toa tsy misy hasiny intsony ny aina. Tsy mampaninona izany hoe mandatsa-dra izany. Tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra fa manapoaka izay afaka manapoaka, mamono izay te hamono. Mahavalalanina tsy hita izay ilazana azy. Na izany aza, tsy takona […]