Indraimbava

Fotoanan’ny fandavantena !

  Mahavariana ny zava-misy ! Inona ary ny olana ho an’ity Madagasikara malalantsika ity? Mahavariana ny fampijaliana vahoaka ataon’ny sasany. Nanaitra ny nahita ny filazan’ny praiminisitra fa tsy maintsy havoaka faran’izay aingana ny fitaovana hamokarana herinaratra. Efa oviana anefa ireo no nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasiana? Amam-bolana ny valiny. Niniana tsy […]

Miandry baiko

  Olon-tokana tsy afa-kanova firenena iray, araka ny tenin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fifampizarana tamin’ny delegasion’ny Emirates Arabo Mitambatra. Mahasadaikatra sy mahavalalanina fa toa niandrasana ny fidinany ifotony, ohatra, ny famahana ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano. Ifampiandrasana ny raharaha? Na tsy matoky tena ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, na miandry […]

Migrevy ny natiora!

  Zava-doza ny manjo an’ilay Madagasikara, indrindra ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ny Jirama hatrany no mahazo loza kanefa ilay natiora mihitsy no efa mitokona. Azo lazaina fa manafay ny zanak’olombelona ny “Mpahary” sy ny zavaboahary. Raha mbola nirehareha, tsy nianjadian’ny tsy fahampian-drano ireo tsy mampiasa paompy dia efa […]

Grefy sadasada

  Mitohy ny fiainana! Tsy mahasakana ny andavanandron-dRamalagasy tsy handroso izay jiro sy rano tapaka. “Mandeha ny mandeha”, hoy ny fitenin-jatovo tsy mivaky loha tanteraka amin’izay miseho. Mijonjorombona avokoa sisa ny fomba fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tsy misy tanjona fa rehefa voky ny kibo dia ampy izay. Rehefa midaboka ny […]

Avo lenta

  Nivoaka ny voka-pifidianana any Etazonia. Niverina amin’ny toerany ny filoha teo aloha Donald Trump. Hanao ahoana ny ho fiantraikan’izay amin’ny jeopolitika maneran-tany? Iaraha-mahalala fa anisan’ny tsy nankasitraka ny adilahy miseho etsy sy eroa ny tenany. Nilaza moa izy tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fa 24 ora monja aorian’ny fahalaniany dia hitsahatra […]