Tsy hita intsony ny teny hoenti-milaza ny zava-miseho eto Madagasikara. Tongan’ny mpampihorohoro tsotra izao eto amin’ny firenena. Tsy vitan’ny mandatsaka ainy, fa tena mamorina ny saina sy ny fanahy. Tsy ny fianakavian’ny lasibatra, na ireo nieren-doza avotra soa aman-tsara no mahita faisana, fa ny sarababem-bahoaka iray manontolo. Tsy ampy […]
Indraimbava
Very fanahy mbola velona
Mihorohoro ny vahoaka! Mitaintaina andro aman’alina ny zanaka sy ray aman-dreny. Hatramin’ny vady aza moa. Tsy ny zaza ihany no lasibatry ny mpangalatr’olona, mahita faisana koa ny olon-dehibe. Miandahy miambavy ny olona very, tsy mifidy taona. Indrisy, izay manjavona, tsy mody ao an-trano fa ampodian-dry zalahy any amin’ny Ray. […]
Aoka tsy hanao kinangananga!
Tena misy trangam-piarahamonina maro mahatonga saina eto amin’ny firenena, ankehitriny. Manginy fotsiny ny fanaovana politika hafahafa. Vazaha mody miady no betsaka, fa ilay vahoaka no miesona sy mitsetsetra. Tsy hijerena vanim-potoana na sokajin-kery ny resaka fa ilay tontolo amin’ny ankapobeny eto amin’ny firenena mihitsy. Mitambatra ao ny vola, ny […]
Gadra politika
Mahabe adihevitra amin’izao ny hoe fisian’ny gadra politika na tsia. Vokatry ny fehinkevitry ny fivoriana manokana nampitain-davitra momba an’i Madagasikara nataon’ny vondrona Sadc tamin’ny faran’ny volana teo. Takin-dry zareo ny famoahana ireo hoe gadra politika. Inona ny marina? Arakaraka ny toerana hatrany ny fijerena sy fahitana zavatra iray, indrindra […]
Mihanta loatra
Raha misy angamba andrimpanjakana manao izay danin’ny kibony dia ny antenimierampirenena. Raha misy mpitondra na manampahefana maro tsy mahafehy ny asany dia ny solombavambahoaka. Raha misy ny ataon’ny mpanao politika fitaovana dia ny olom-boafidy. Saingy, tandremo kely fa ireo no tompon’ny lakile eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Izay rahonany […]





