Indraimbava

Tsy misy hasina intsony

Raha zohina akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mahazo vahana ny tsy firaharahana ny ain’olombelona. Ny mamono tena mahazo vahana andro aman’alina: ny mihinam-poizina mihinana, ny mananton-tena saika isan’andro, ny mitifi-tena tsy fantatra antony itony manao ny ataony ihany koa. Tsy hita ifanomezan-tsiny moa fa taterina etoana izany mba hampisainana […]

Tsy mpanao majia izy !

  Mahavariana ny Malagasy sasany. Manam-bola ho laniana amin’ny fifananejehana fa tsy mahafoy ho fanampiana ny namana. Mbola sarotra ilay fanavaozana hitondra any amin’ny fanatsarana ny toe-tsaina. Lany andro amin’ny ravindravina atentina, ka manadino fa misy ny tokony hifantohana misimisy kokoa. Tsy inona izany fa ny andavanandro sy ny adim-piainana […]

Zava-dehibe

Tsy ho ela, higadona ny 3 jona hanombohana ny fikaonandoham-pirenena. Andro isaina sisa… Nefa hatramin’izao, tsy mazava amin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena izay tena hatao. Tenenina matetika, ohatra, ny hoe miainga any ifotony, ny Malagasy rehetra no hakan-kevitra, tsy misy hevitra avela… Amin’ny fomba ahoana? Mila fanazavana: iza avy, ohatra, no ho […]

Aim-pirenena

Hanao ahoana ihany ny fikaonandoham-pirenena? Maro ny miandry fatratra. Ho amin’ny tena fanavaozana sa… ? Sanatria, ho ady saritaka noho ny paipaika sy kajikajy politika mahazatra ny sasany, na noho ny torapo tsy mahafa-bela ny hafa… Na ahoana na ahoana, mila mitandrina sy malina. Amin’izany, manara-maso sy mifanara-maso: iza no […]

Izany, hono, no malaza!

  Mahoraka indray aloha ny governemanta iaraha-mitantana. Sivy volana aty aorian’ny nandraisan’ny miaramila ny fahefana, hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Toa hihavana daholo indray ny olon-drehetra. Havalona tsikelikely ny adilahy politika. Hiroso ny fifampiresahana an-databatra boribory. Iarahana indray ny dia mankany amin’ny fifidianana. Izany no malaza! Ny tonta no […]