Indraimbava

Mivarina an-davaka !

  Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fahatanjahana ara-diplaomatika amin’izao fotoana izao. Mahita rirany tsara mihitsy ilay Nosy malalantsika amin’ny tandrefana sy ny tatsinanana, ary ireo elanelam-panahy efa mafy toto toy ny Brics. Tsy misy firenen-dehibe na iray aza, sahy manilika an’i Madagasikara intsony, amin’ny lafin’ny rehetra. Ny mifanohitra amin’izay aza […]

Mila fitoniana

  Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny raharaham-pirenena amin’izao? Indrindra ny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fiainana amim-pitoniana… Tsy hoe tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany izay, fa eo indrindra koa ny fitonian-tsaina amam-panahy andavanandro. Hanao ahoana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena? Eo ny hoe miainga any ifotony eny anivon’ny fokontany. Toy […]

Solelaka sy tsikera

  Nahavariana ny mpanaraka tambajotran-tserasera, omaly, ny ranty nataon’ny tomponandraikitra ambony iray amin’ny fitondrana. Fizarana mahakasika ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Horonantsary nahodina, efatra andro mialoha ny niongany teo amin’ny toerana. Nifono zava-dalina ny hafatra tanatin’ilay horonantsary, mahakasika ny fisolelafana sy ny filana ranondranony. Nahay naka lesona ny filoha […]

Tonga indray ilay « mesia »

Resabe ary ahina hivadika ho zavatra hafa ny fitakiana ilay hetra mahakasika ny fitaovam-pitaterana mandeha motera na ny Taxe sur les véhicules motorisés na TVM. Nahoraka tampoka tao anatin’ny 48 ora ny fikasana hidina an-dalambe ataon’ny mponina sy ny tanora tao anatin’ny Gen Z. Sady tsy ampy ny fampahalalana no […]

Fantsifantsy madinidinika

  Asa re, hanao ahoana ny raharaham-pirenena ato ho ato? Misary mandeha eny ny zava-drehetra. Asa? Noho ilay fanohizan’ny Fanavaozana ny raharaham-panjakana angamba. Mandeha ny fitokanana ny zava-bita. Mitohy ny fametrahana vato fototra. Ny asa madinidinika mandeha tsimoramora. Misosasosa ilay andavanandron-dRa­malagasy. Mifanindran-dalana amin’izay anefa toa mitsingilaila ilay fanavaozana nilokalokana. Misy […]