Indraimbava

Tandremo ny mpanolana !

  Handao hiresaka trangam-piarahamonina mampivarahontsana isika anio. Tsy sanatrian-dresaka hanimba ny « ambiasy » amin’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika akory fa tena tsy maintsy potserina. Misy vay maharary tsy maintsy vakiana. Ity resaka fanolanana ankizivavikely na ankizilahikely ity. Ny tena loza mihatra, ilana fandraisana fepetra hentitra dia ny mpianatra samy mpianatra mifanolana. Mahazo […]

Miandry baolina maty

  Hiavaka raha samy hiavaka ny fotoam-pianianan’ny Filoha vao lanim-bahoaka, Rajoelina Andry, rahampitso. Efa manao ranolava ny fahatongavan’ny vahiny, hanome voninahitra ny fotoana eny Mahamasina. Nanomboka omaly, hitohy mandra-pisokatry ny lanonana amin’ny 10 ora maraina ny fahatongavana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. An-jatony, mba tsy hilazana ho aman’arivony ny vazaha, sinoa, […]

Tondro tokana tsy mahazo hao

  Mbola mitana ny sain’ny maro ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manome vahana izany ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra izay mampidangana ny vidim-piainana. Mam­piaiky volagna ny vidim-bary eny an-tsena izay tafakatra hatrany amin’ny 3 500 Ariary ny kilao. Efa hitovy amin’ny sandan’ny karama indray andro raisin’ny mpiasa madinika. Mahalasa saina! Miraviravy […]

Manaraka fandaminana

  Efa somebiseby ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika amin’ny fety aman-danonana ho tanterahina amin’ny sabotsy. Mandray fiaingana vaovao indray ny lamasinina ho amin’ny dimy taona manaraka. Na inona na inona aloha natao hanakanana ny fifidianana dia vita izy izay. Lany ny filoha teo amperinasa, manohy ny dingana sy ny lalana […]

Tsy maintsy manadio !

  Tsy sasatra ny miantso vonjy ho an’ny vahoaka mala­gasy. Tsy reraka ny misintona lakolosy amin’ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Mandry andriran’ antsy ny vahoaka na an-drenivohitra na any ambanivohitra. Tsy lavitra an’Antananarivo, sady mandroba amim-basy no maka takalon’aina ny jiolahy. Tsy misaron-tava fa feno fahasahiana sy fihantsiana amin’ny […]