Indraimbava

Miandry fa Gasy !

Tapitra izay ny telo herinandro nomena ny minisitry ny Angovo, mahakasika ny delestazy. Andrasana ny fivoaran’ny fahatapahan-jiro sy ny fahasahiana handray fepetra hanasazy izay tomponandraikitra tsy nahavita ny asany. Iaraha-mahalala rahateo fa raha misy ny fitavozavozana amin’izany, ny filohan’ny Repoblika ihany no hizaka ny vokany voalohany. Tsy te hahalala afa-tsy […]

Tombontsoa… ratsy

  Tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana na fanakorontanana? Indrindra amin’ny politika… Resaka ka atao, tian-kateza. Misy ndeha hinia hanakorontana fotsiny izao ve raha tsy mahita sy mikendry tombontsoa amin’izany? Manakorontana mba hahazoana manararaotra ny toe-javatra hanilihana na hanapotehana ny hafa, ohatra, na hakana bahana na vahana raha ratsy toerana […]

Mifameno fa tsy mifamono

Fiteny ny hoe tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Izay no miantoka ny famokarana sy ny fihariana. Tsy misy fihatsaram-piainana, raha anjakan’ny olon-dratsy izay atao. Mety ho rava sy very ao anatin’ny fotoana fohy izay nisasarana an-taona maro. Izay no maha zava-dehibe ny fampanjakana ny fandriampahalemana… maro lafy. Manomboka […]

Fanovana sy fiovana

  Hatramin’izao, mbola mahabe adihevitra ny sasany ihany ny amin’ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firo­tsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Tsy misy Mala­gasy hahita sy hanana an’izany. Tsy mahafa-bela ny fano­herana izay mitranga sy atao rehetra? Na tsy mety ho kolontsaina ny fankatoavana sy fanajana avy hatrany ny didy aman-dalàna, tsy […]

Hotsarain’ny tantara !

  Mitana ny sain’ny maro hatramin’izao ny fifaninanana iraisam-pirenena ka manasongadina ny Malagasy. Mahavelombolo ery ny mahita ny ezaka vitan’ny tanora. Mahavariana anefa, misy foana ny volo mpanoha randrana. Raha misy ny fahombiazana, tsy miala lavitra eo ny mpanatsatso. Rehefa tsy sakaizan’ny mpandresy dia ory hava-manana ny olona sasany. Inona […]