Tao anatin’ny volana vitsy izay, mahazo vahana ny vola sandoka manerana an’i Madagasikara. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Tsy mifidy toerana hanaparitahana vola. Tsy mifidy sokajin’olona ny mpanaparitaka izany fa misy hatramin’ny vahiny. Ireto farany izay sady manambaka no milalao ody ratsy. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany. […]
Indraimbava
Rano milamina, manafim-boay
Vita ny fety, efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Mitohy ny asa aman-draharaha. Mihodina manaraka izany koa ny raharaham-pirenena. Ny fitondrana, manohy ny fandaharanasany. Miketriketrika fifidianana. Midina ifotony mambabo ny fon’ny vahoaka. Mbola mandeha hatramin’ny fametrahana vatofototra. Na nilaza aza ny filohan’ny Repoblika fa mihantona izany. Voalazany fa […]
Mahaleo tena isan’andro
Vita iny ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena, na teo aza ny fiantsoana sy fihantsiana tsy hanatrehana izany. Ahoana ny manaraka? Ny fitohizan’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Voafafan’izay ve ny fahasahiranana andavanandro mandavantaona? Nitondra inona àry ny fankalazana? Mba tsy fombafomba sy fahazarana fotsiny… Tena misy sy iainana ny Fahaleovantena? […]
Niova fianjaika !
Salanitra ry ambanilanitra, indrindra isika mpamaky ny Taratra. 19 taona sy efa-bolana aty aorian’ny nivoahan’ny laharana “aotra”, miova endrika ny gazety. Miova mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny fanoratana. Miezaka ny mpanao gazety sy ny mpitantana, hifampizara vokatra tsara kalitao. Voakasik’izany ny lafin’ny teknika sy ny […]
Mifety am-pahamendrehana
Andro vitsy, hanamarika ny fiverenan’i Madagasikara ho mahaleo tena ny vahoaka malagasy eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina. Andro manan-tantara na dia sembanin’ny adilahy politika sy ny resabe momba ny maha-vazaha ireo mpitondra nifandimby teto hatrizay ka mandraka izao. Tsy atao itarina lavabe intsony ny mahakasika izany fa aleo mba samy […]




