Indraimbava

Mifampiana-dratsy !

Efa eny an-kianja ny mpilalao rehetra raha resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika no asian-teny. Samy efa manovokovoka amin’ny hetsika isan-karazany sy ny famoriam-bahoaka ny manana hoenti-manana amin’izany. Andaniny ny loko mavo, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ankilany ny loko volomboasary, miaraka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Ankoatra ireo, tsy azo […]

Tany misy fanjakana… tan-dalàna

Tato ho ato, mirongatra be ny fanafihan-jiolahy, fakana an-keriny, vono olona… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaisaina. Ny mahavalalanina sy mahafanina: sanatria, toa mitady hanomboka tsy taitra firy intsony ny sasany mandre sy mahalala izany. Mitady hahazo vahana ny kolontsaina filalaovana aina? Efa izany eo amin’ny mpanao ratsy, matoa mandeha ho […]

Lapan’ny fitsarana « facebook »

Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! mampiteny ny moana ny zava-misy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Zary misolo vaika ny fitsarana sy ny mpitsara ny mpampiasa azy. Raha ny zava-nisy omaly, tena mahatonga saina. Hatreny amin’ny tonto­lon’ny fampianarana ambony no voafandrika. Zary nifani­lika andraikitra imasom-bahoaka ny samy tomponandraikitra. Niezaka nanadio tena sy nitady ny […]

Tsy vahaolana ny korontana

Samy varimbariana tamin’ny fetim-behivavy avokoa, omaly. Hadinodino fa hay misy otrikafo misoko mangina, mitarika any amin’ny fifanjevoan’ny samy Malagasy eto. Miseho lany ny fifampihantsiana. Tsy ny mpanao politika ihany, fa hatramin’ny mpianatra sy ny mpanabe. Zara raha nisy mpireska ny mpitandro filaminana naratran’ny mpanao fitokonana. Manginy fotsiny ny fitetezam-paritra ataon’ny […]

Mbola lavitry ny afo…ny kitay 

Naresaka ery ny tanàna omaly ! Nahoraka ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 8 marsa. Nifanindran-dalana tamin’izany, nitohy sy mbola feno olona, niteraka fitohanana ny tsenan’Ala­robia eny Andravoahangy. Ny omaly tsy miova ny fiainana andavanandro. Tsy mahagaga rahateo izany, maro ny vehivavy nafarana avy any amin’ny faritra, nentina niara-nifety tetsy amin’ ny […]