Indraimbava

Korontana… tombontsoa

  Hanao ahoana ihany izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izao. Tsy takona afenina, tsy ilaozan’ny tahotra sy fanahiana korontana. Mby amin’izay nitai­zan’ny sasany saina hatramin’izay hoe krizy politika mialoha na mandritra ny fifidianana? Sanatria… Misy ny manao vava tsy ambina amin’izany? Ny depiote mpanohitra aza efa niloa-bava tamin’ny fandranitana […]

Ilay anaran-dray!

  Resabe teny anivon’ny fiarahamonina sy ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mahakasika ny filatsahan-kofidin’ny zanaky ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanànan’Antananarivo. Nahavariana fa lasa nifantoka be tany avokoa ny seraseran’ny mpanohana fitondrana. Nitabataba sy nanakiana ary nanatsatso ny zava-niseho. Paikadin-tserasera diso amin’ny tontolo politika, indrindra raha mijery ny […]

Adin’ny samy goavana

  Raikitra izany ny lalao! Miditra tsikelikely ny mpandimby ny anaran-dray. Ny an’ny sasany any amin’ny politika, ny an’ny hafa any amin’ny fandraharahana. Samy zanaky ny henjana tokoa ka tsy mifampidera taim-by. Mitovy izy ireo fa tsy sahala, hoy Ramalagasy izay. Mibaribary fa samy baikoin’ny tombontsoany. Dia inona moa fa […]

Tsy asa fa kabary !

  Raha nahazatra hatrizay ny filazana ho « asa aloha fa tsy kabary », dia mivadika ny rasa amin’izao fotoana izao. Napetrapetraka noho ny finamanana sy ny valibabena ny ankabeazan’ny nomem-pahefana hanatanteraka eto amin’ny firenena. Sanatrian’ny vava poakaty, tsy hita izay asa mivaingana fa lany andro amin’ny fisehosehoana sy ny fandokafan-tena. Toy […]

Tsy filaminana marolafy

  Asan-jiolahy, fanafihan-dahalo, fanakan-dalana… Izany no mby an-tsaina avy hatrany amin’ny hoe tsy fandriampahalemana na tsy filaminana. Nefa marolafy izay mety manakorontana ny fiainam-pirenena, indrindra ny fiainam-bahoaka. Anisan’izany, ohatra, ny krizy na korontana politika noho ny afitsoky ny mpanao politika sasany: miady tombontsoa, tsy mahalala afa-tsy ny ho azy, tsy […]