Indraimbava

Mila fitoniana

  Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny raharaham-pirenena amin’izao? Indrindra ny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fiainana amim-pitoniana… Tsy hoe tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany izay, fa eo indrindra koa ny fitonian-tsaina amam-panahy andavanandro. Hanao ahoana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena? Eo ny hoe miainga any ifotony eny anivon’ny fokontany. Toy […]

Solelaka sy tsikera

  Nahavariana ny mpanaraka tambajotran-tserasera, omaly, ny ranty nataon’ny tomponandraikitra ambony iray amin’ny fitondrana. Fizarana mahakasika ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Horonantsary nahodina, efatra andro mialoha ny niongany teo amin’ny toerana. Nifono zava-dalina ny hafatra tanatin’ilay horonantsary, mahakasika ny fisolelafana sy ny filana ranondranony. Nahay naka lesona ny filoha […]

Tonga indray ilay « mesia »

Resabe ary ahina hivadika ho zavatra hafa ny fitakiana ilay hetra mahakasika ny fitaovam-pitaterana mandeha motera na ny Taxe sur les véhicules motorisés na TVM. Nahoraka tampoka tao anatin’ny 48 ora ny fikasana hidina an-dalambe ataon’ny mponina sy ny tanora tao anatin’ny Gen Z. Sady tsy ampy ny fampahalalana no […]

Fantsifantsy madinidinika

  Asa re, hanao ahoana ny raharaham-pirenena ato ho ato? Misary mandeha eny ny zava-drehetra. Asa? Noho ilay fanohizan’ny Fanavaozana ny raharaham-panjakana angamba. Mandeha ny fitokanana ny zava-bita. Mitohy ny fametrahana vato fototra. Ny asa madinidinika mandeha tsimoramora. Misosasosa ilay andavanandron-dRa­malagasy. Mifanindran-dalana amin’izay anefa toa mitsingilaila ilay fanavaozana nilokalokana. Misy […]

Samy manavotra ny ainy

Miditra vanim-potoana mangatsiaka ny eto an-dRenivohitra, ankehitriny. Manomboka mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ireo endrika tsy fahazakana na « allergie ». Tsy ny zaza intsony na ny vehivavy marefo no mahita faisana fa hatramin’ny olona mirijarija aza izao tratry ny kohaka sy ny fahatsetsenan’orona. Ho an’ny eto Antananarivo, efa iaraha-mahalala fa […]