Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka loharanom-pahefana. Amin’izao hoe Fanavaozana izao, ny hetsi-bahoaka no nahatonga ny mpitondra hahazo fahefana. Teo ny fitakiana famatsian-jiro sy rano, ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana, ny famoronana asa… Tsy vitan’izany, nanampy fanamby amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota ny mpitondra. Mby aiza? Hatramin’izao, misy […]
Indraimbava
Aleo misoroka!
Manomboka mangatsiaka! Efa volon’andro ririnina mihitsy ny eto amin’ny tanàna. Mahazo vahana ny hirifiry vao maraina. Efa hita ihany koa ilay andro tsy mena-mivadika. Tampoka mafana, mampanary lamba. Mazava ho azy fa manaraka izay ny fahasalamam-bahoaka. Mahazo vahana ny kohaka sy ny gripa ary ny fanaviana amin’ny endriny rehetra. Tsy […]
Miverina indray ny honohono
Asa hanao ahoana no hiafaran’ity resaka mandeha etsy sy eroa ity. Mampahatsiahy ny fotoana fohy nialoha ny nirodan’ny fitondran-dRajoelina Andry ilay zava-miseho. Tena miverina avokoa ny raha tsy manjarizary nitakiana fanovana. Zary mampiaka-peo ny olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena ny zava-misy. Ohatra ny samy mitondra ny lohany avokoa izay afaka […]
Tafahoatra ny rapa-dango
Tena mahavariana ihany Ramalagasy. Tia mihinana amam-bolony loatra ka mora viraviraina. Azo lazaina ho fararanom-baovao ny eto amin’ny tanàna. Izay mivoaka avy any “babany” avokoa. Manodoka sy mahavelombolo ny zava-miseho, raha atao indray mitopy. Raha tsy mandinika lalina sy tia karokaroka aloha dia tena mihevitra hoe “milay ilay tanàna”, […]
Varoboba sy mangarahara
Nahoraka sy nampametra-panontanina ny fahitana ny fiaraminidina manokana maromaro tany Toliara. Tena hoe niaka-danja ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Nampitolagaga ny hatsarany sy ny haavo lentan’ireto fitaovam-pitaterana. Mainka mampiteny ny moana ihany koa ny firodorodon’ny mpikambana tao amin’ny governemanta nakany an-toerana. Efa nampiaka-peo ny firaisamonim-pirenena amin’ny filibalibana. Noho ny tsy fisian’ny […]




