Hatramin’izao, tsy mbola mampitovy fijery ny hoe fanavaozana. Samy manao izay saim-pantany? Na sanatria fialana amin’izay nisy hatramin’izay… Eny, na izay mety sy mampandroso aza. Misy ohatra, mpitandro fiilaminana manova fotsiny izao ny lalàm-pifamoivoizana. Nony injay anontaniana, mamaly boribory hoe: fanavaozana izao. Mba marina? Fanovana izay tian’ny tena ve […]
Indraimbava
Miasa tsara, miasa mafy
Nahoraka maneran-tany ny fankalazana ny Andro natokana hanomezan-danja ny tontolo sy mpiantsehatra momba ny asa. Samy nanao izay manandrify azy ny tsirairay. Toy ny mahazatra, amin’ny fankalazana samihafa, dia mivadika ho fety foana izany ho an’ny Malagasy. Ankoatra ny kilahadahatra samihafa dia miafara amin’ny fiaraha-misotrosotro sy mihinankinana ny fotoana. […]
Milalao afo ?
Hafahafa ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny. Tsy hay mazava ny tena fandehany. Ny ao anatiny toa resy lahatra fa miroso ny dia. Manga ny lanitra ato anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy takona afenina fa efa miseho sehatra any ivelany rehetra any ny Filoham-panjakana. Mandeha sy mizotra araka […]
Misamboaravoara tanteraka
Mahavariana ihany ilay zava-miseho eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Toa tsy hita taratra ilay maha Malagasy tia zaka tsara. Toa variana amin’ny vola aman-karena, miharo fitiavam-pahefana sy voninahitra, ny olon-drehetra. Samy maka ho azy, samy miaro ny rambony. Tsy te hahalala zavatra hafa ankoatra ny vatana maha olona. Manovokovoka […]
Kilalao maloto
Somary mahasanganehana ny zava-miseho eto amin’ny firenena. Toa tantara ratsy, efa fahita, no miverimberina andro aman’alina. Dorana ny Rova, lazaina fa jiolahy ny mpiambina an-dry zalahy. Henjehina sy miditra am-ponja ry malamalama. Mifamaly sy miady eny amin’ny tambajotran-tserasera ny samy mpitondra, na an-drenivohitra io na any ambanivolo. Tsy misy […]




