Indraimbava

Tsy ilaozan-dromoromo!

Raikitra ity ! Nisantatra ny fikaonandoham-pirenena ny tanora. Mariky ny firosoana tsikelikely amin’ny famitana ny tetezana miampita mankany amin’ilay fanovan-drafitra izany. Ivon’ny fanavaozana ny fanangonan-kevitra eny ifotony sy fahafahana mamadika izany ho lalana fotrotra ijoroan’ilay fanjakana. Handrasana ny fehin-kevitra mivoaka, ho fototry ny Repoblika fahadimy, tsangam-baton’ny fanovana. Etsy ankilan’izay, efa mandeha […]

Hena ambavam-boay !

  Tsy mbola nisy teto amin’ny firenena hatrizay ny zava-misy ankehitriny, eto Madagasikara. Saika nitovitovy tamin’ ny fitondran’ny Profesora Zafy Albert ny zava-niseho, fa tsy tena mitovy. Ny an’ity farany, nambakain’ny olona tany anaty lalàna. Ny an’ireto mpanavao, ambana amin’ny fidinana an-dalambe sy ny fitakiana handravana ny efa. Manoloana izany, […]

Fanovana toe-tsaina

  Anisan’ny mbola takina sy andrasana amin’izao governemanta izao izay notakina teny an-kianja, nahatongavana amin’ity hoe fitondrana Fanavaozana. Tsy inona izay fa ny sosialim-bahoaka. Eo, ohatra, ny famatsian-jiro sy rano, ny famoronana asa, ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana… Hatramin’ny fanamboaran-dalana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota… Lasa fanamby! Mby aiza? […]

Mitsapa kianja?

Raharaha izy ity! Fa tokony samy mahay maka lesona fotsiny tamin’izay niseho sy izay hiseho. Izay no azo amehezana ny fizotry ny raharaha politika eto Madagasikara hatry ny omaly. Manahirana ny miresaka politika amin’izao fotoana. Izay anontaniana na angatahana tafa ho an’ny mpamaky dia mitsipaka avokoa fa “mahamay”, hono, ny […]

Samy maka, tsy mifanambaka

  Tao anatin’ny 24 ora, hita taratra fa niverina ny toetra ratsin-dRamalagasy. Malaza ho mpandala fihavanana imasom-bahoaka fa mifamotika araka izay tratra ato anatiny. Mifampitsentsitra! Mitady ny fomba rehetra hakana izay azo alaina amin’ny mpiray tanindrazana. Mahakasika ny andro voalohany sy faharoa, taorian’ny filazana ny hamehana amin’ny angovo eto Madagasikara […]