Indraimbava

Misalobon-komana!

  Tsy misy andro iray angamba tsy ahenoana fifandiran-kevitra eto amin’ity firenena ity. Manomboka amin’ny rafitra an-tanantohatra ambany izay, hatrany amin’ny fara-tampony. Miverina indray ny tsy fitoviam-pijery sy filalaovana lalàna ataon’ny mpahay an’izany. Tsy hay intsony, iza no tompon’ny marina sy ny tena izy? Samy mitondra ny lohany avokoa. Tsy […]

Ombay mitady

  Mazava indray aloha ny fanambaran’ny kolonely, Filoham-panjakana. Tsy hisy velively ny tetezamiitatra. Tapitra hatreo amin’ny fahavitan’ny fifidianana ny iraka izay tarihiny. Midika izany fa ho hazakazaka arahin-tosika ny zava-drehetra manomboka izao. Antony: henjehina hifanojo amin’ny tokony  ho fahataperan’ny fotoam-piasana ara-dalàn’ny filoham-pirenena, voafidim-bahoaka izany. Ny mpitondra ankehitriny rahateo efa iraha-mahita […]

Sahy hanova

  Hanao ahoana ihany ny fikaonandoham-pirenena? Amin’izany, hevitra mandeha etsy sy aroa, ohatra, ny hoe miainga any ifotony, raha tena hanao fanovana na fanorenana ifotony. Ho sahy hiatrika fifidianana, ka ny fifidianana filoham-pokontany no hatao mialoha ny mpanao politika? Aorian’izay, manaraka ny ben’ny Tanàna, dépiote, filohan’ny Faritra… Amin’izay, tsy misy […]

Miverina amin’ny taniny

  Miesona tanteraka ny valalabemandry! Noheverina fa efa mifoha kay mora lalaovina sy ampatoriana am-pitsanganana. Nanomboka nampametra-panotaniana ny fihodin’ny fanaovana politika. Nilaza tsy ho mpanao majia indray ny sasany fa mampiandry lava! Ny lazaina fa mpanjanaka sy tsy namana indray izao no lazaina fa ho mpiray ra amin’ny tena. Tsy […]

Tsy misy hasina intsony

Raha zohina akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mahazo vahana ny tsy firaharahana ny ain’olombelona. Ny mamono tena mahazo vahana andro aman’alina: ny mihinam-poizina mihinana, ny mananton-tena saika isan’andro, ny mitifi-tena tsy fantatra antony itony manao ny ataony ihany koa. Tsy hita ifanomezan-tsiny moa fa taterina etoana izany mba hampisainana […]