Indraimbava

Ho lova tsy mifindra

  Mbola tsy manomboka akory ny lalao dia efa raikitra ny fifamotehan’ny samy kandidà ho ben’ny Tanàna. Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa hatrany amin’ireo heverina ho kaominina faran’izay madinika sy lavitra andriana aza. Tsy ny mpifanandrina politika, fa hatramin’ny mpiray lisitra sy antoko aza dia misy manao mpamosavy malemy. […]

Fidinana ifotony

  Arahaba soa, arahaba tsara: efa mandeha ny fidinana ifotony amin’izao? Na isan-tsehatra, na isan’ambaratonga. Mba tsy ho am-boalohany ihany… Tsy inona fa fijerena ny zava-misy amin’izay iainan’ny vahoaka andavanandro, famahana olana, firosoana amin’ny vokatra haingana sy mivaingana, misy fiantraikany mivantana… Amin’izany, mahita lazaina hatrany ny be tsingoloka isany: ahoana, […]

Vehivavy vanona

  Tetikasa iray, mendrika ny hotohanana sy haparitaka ny « Hope » na ny Fanantenana, natao hitari-dalana ny vehivavy ho sahy hijoro sy hanana fahatokisan-tena. Tsy ny tetikasa amin’ny maha tetikasa azy fa ny hevitra fonosiny sy ny tanjona tiany ho tratrarina. Mifototra amin’ny maha reny, mpiahy ny isan-tokatrano, andaniny. Ny reny […]

Resy tsy miady

  Anatin’ny fametrapetrahana ny rafitra isan’ambaratongany ny eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny, ankehitriny. Manomboka ny fanendrena olona amin’ny toerana samihafa. Midika izany fa efa miainga tsikelikely ny fampihodinana ny raharaham-pirenena anatiny. Efa mihazakazaka be rahateo ny momba ny fifandraisana any ivelany. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka amin’ny lafiny diplaomasia sy ny […]

Faly mifanambaka

  Natao ihany ny hangina manoloana ny fizotry ny andavanandron-dRamalagasy fa tsy maintsy miteny. Arakaraka ny nivoizana sy nametrahana minisitera mpiahy ny Firai­sankina no mainka manao valala an-karona ny mpiray tanàna sy ny mpianakavy. Mahakivy ny mahita ny zava-mitranga any anaty fiarahamonina rehetra any. Mahazo vahana ny mpihavana, na ny […]