Indraimbava

Filaharambe hatrany

  Mampanontany tena mihitsy ny andavanandrom-piainan’ilay Malagasy. Vao maraina, omaly, tena mbola anaty haizina dia efa filaharambe ireny milina fisintonana vola eny amin’ny banky ireny.  Toraka izany ny  filaharana fiara fitateram-bahoaka.  Vao miposaka ny masoandro, efa lavabe ny filaharana taxi-be. Izay tsy milahatra, mifanosika, mitady hirika rehetra ahatafidirana anatiny. Soa aloha, […]

Zotra tsy maintsy arahina

Nirongatra indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona. Loza tsy nahy sy tsy ampoizina avokoa ny ankamaroany. Misy ihany ny tsy fitandremana isan-karazany. Raha ny zava-misy ankehitriny, tsy ampy ny filazana fa tandrevaka no fositra. Misy tokoa ny loza, tsy hay hazavaina. Mijininika ny ra, miampatrampatra ny maty. Tsy […]

Lalao an-kamely !

  Mbola tsy ny ampahefan-dalana no vita, efa mifamingampigana sy mifanindrom-paingotra ny mpiara-milalao. Mazava ny zotra, samy te ho lohany rahatrizay vita ny lalao famaranana. Ny kapitenin’ny ekipa, efa manomboka mahaihay vava. Manomboka tsy mihaino tolo-kevitra. Hita fa manome tombon-dahiny manokana mpilalao vitsivitsy. Ny ekipa teknika, natao hampitovy tadin-dokanga, iaraha-mahita […]

Asa vava tsy vava asa

  Mbola momba ny fijoroan’ny governemanta vaovao ihany… Tsy mahafa-bela? Ny vao tsy manitra no ratsy. Samy miandrandra sy miandry fanovana sy fanavaozana amin’izao governemanta vaovao izao avokoa ny rehetra. “Choc choc “, na asa haingana sy mivaingana avy hatrany no andrasana. Vava asa fa tsy asa vava, fa ny […]

Tsy maintsy mandefitra

Hatreto, toa mbola fitaovana ny tanora sy ireo nitokona nametraka ny fitondrana. Tsy hita izay mba anjara toerana lehibe ho azy ireny. Mpanolotsaina maivamaivana eny no sahaza ho azy ireny. Natokana ho an’ny akama sy havana ary mpiray antoko ny anjara mofomamy lehibe. Manara­raotra toa banga mihomehy alina ny nampindramim-pahefana […]