Asa ! Izay tokoa ve no atao hoe politika? Mampametra-panontaniana ihany ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana mijoro amin’izao fotoana izao. Tena mitobaka izaitsizy ny vola. Miraradraraka ny nofon-kena mitam-pihavanana am-polony tapitrisa Ariary, zaraina etsy sy eroa. Mahazo vahana tanteraka aloha ry zareo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy rehetra any. Tena ampihantaina […]
Indraimbava
Saro-pady !
Fitakiana famatsian-jiro sy rano no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Aiza ho aiza? Misy hatrany ny mampiaka-peo etsy sy eroa ny amin’izany. Misy aza tonga amin’ny fitakiana fandravana andrimpanjakana: Antenimierampirenena, Ccni, HCC. Ho tonga hatraiza? Misy milaza fa mpanao politika no hoe ao ambadika, mampiasa vola… Na izany aza, […]
Tombana tsy mitombina
Aiza ho aiza ny hoe asan’ny governemanta vaovao amin’izao? Sarotra ny fandidiana na ny fandinihana. Tsy voafaritra mialoha izay soritr’asa mazava sy hentitra tsy maintsy vitain’ny minisitera tsirairay avy ao anatina fe-potoana mazava. Hatao tombantombana izay asa hatao sy mety ho vita? Arakaraka izay mahamaika ny vahoaka: famatsian-jiro sy […]
Mampandini-tena
Andrasana fatratra amin’izao fitondrana hoe fanovana sy fanavaozana izao izay tena asa mivaingana amin’izay. Tsy inona fa fihatsaram-piainana, indrindra ny fiainam-bahoaka: famatsian-jiro sy rano, vidim-piainana, fandriampahalemana, famoronana asa… Saika fiteny mandrakariva amin’izany ny hoe mila miova aloha ny toe-tsaina. Izay miova no afa-kanova. Eo koa ny hoe omeo sehatra ny […]
Fanovana andrasana
Hatramin’izao, misy hatrany ny manao ady sisika sitrany ahay hahazoana toerana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Tetezamita, hono, ka hararaotina? Izay tsinona mba mety hahazoana seza; eny, na akalana ahay aza. Tsy inona fa tsy fahasahiana na tsy fahavononana hiatrika fifidianana. Nefa hoe antoko politika… Tsy mahalala sy tsy mahavita […]




