Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina? Toa mifampiandriandry be ihany ny rehetra. Tsy firy no efa nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny. Eo koa ny fitarainan’ny manam-pikasana hirotsa-kofidina sasany etsy sy eroa: sarotra ny fahazoana ny taratasy toy ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ny taratasy fitanisan-keloka, ny fanamarinana ny […]
Indraimbava
Vahaolana miainga ifotony
Anisan’ny lohalisitra tamin’ny velirano nataon’ny filohan’ ny Repoblika ho an’i Madagasikara, ny taona 2018, ny mahakasika ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Azo lazaina fa tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny. Nilamindamina ny tanàna, indrindra ny tany ambanivohitra, nandritra ny fotoam-pitondrana voalohany. Ny teto an-dRenivohitra no nahitana tranga maromaro noho ny […]
Vozon’akanjo fotsy!
Mipoapoaka ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo mpaka olona an-keriny. Mihazakazaka ny hazalambo. Angaredona tsy misy ohatra izany, tao anatin’ny andro vitsy. Olona ampolony no nampiakarina taty an-drenivohitra, hanaovana fanadihadiana eny amin’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava. Mahavelombolo, mamelona fanantenana ho an’ny mpanara-baovao rehetra, indrindra ny aty […]
Miandry ny farany
Amin’izao, tsy mbola firy no nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Miandry ny farany? Toe-tsaina amam-pomban’ny Malagasy rehefa manao zavatra, hono. Dia miandriandry sy mandrimandry eo na amin’ny zava-dehibe miankina amin’aina aza? Politika rahateo ny fiatrehana fifidianana, ka mandeha avokoa ny paipaika sy ny kajikajy […]
Ny vahoaka aloha…
Nanaovana tombana tamin’ny asa vitany avy ireo minisitra teo aloha izay nanao fianianana. Inona no vita ary inona no tsy vita sy antenaina fa ho vita? Miankina amin’izay ny ho tohin’ny raharaha amin’izao, ny tantana sy ny tantara. Hanao ahoana? Mandra-pitrangan’izay hitranga, manao tombana ho azy koa ny vahoaka […]