Indraimbava

Asa haingana mivaingana

  Ela no niandrasana ny fijoroan’ny governemanta? Nanantena fanovana sy fanavaozana ny rehetra… Lalàn-javatra, misy ny tonga tamin’izay nampoizina, ao ny tsy hita be ihany na diso fanantenana aza. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay izay, na izay heverina sy kendreny amin’izany, Na izany aza, mila asa haingana sy mivaingana […]

Mitaky fahasahiana

Miverina indray ny fanaovana politika sadasada ho an’ny sokajin’olona sasany. Manorina fahefana ambony fanaovana takalonaina sy ady an-tsena. Mahakamo ny manaraka ireo tambajotran-tserasera eto Madagasikara. Zary fifanalam-baraka amin’ny samy Malagasy sisa. Tena tsy misy tahotra sy henatra ny olona izay heverina ho manampahaizana fa mahasahy mifanompa. Anisan’ny tena ilana fanavaozana […]

Mitonia, milaminà !

  Mahavelombolo, sady hivoaka anio no « tsaratsara » izy ao! Raha ny vaovao niely hatry ny omaly, mahakasika ny governemanta vaovao. Tsy miolonolona amin’ny ankolafin-kery iray intsony fa misokatra ho an’ny Malagasy tia tanindrazana sy vonona rehetra. Ny sasany aza efa midehadehaka amin’ny tambajotran-tserasera ao. Mifampiarahaba sy mirary soa […]

Sasa-miandry

Vita kosa angamba izy izay? Andrasana, anio, araka ny tenin’ny Filoham-panjakana ny anaran’ny olona handrafitra indray ny governemanta vaovaon’ny fanavaozana. Asa iza no ho afa-panadinana ao? Iza no manam-bitana hamerina kilasy, ka ho afaka ny hanatevim-pahalalana indray? Miankina amin’ny mpanadina ny zava-drehetra. Raha ny tsilian-tsofina mandeha, efa anatin’ny fandinihana ny […]

Fotoana izao…

  Tena mila fanovana ny firenena? Na rafitra, na lalàna, na olona, na fomba fiasa… Tsy misy mpanohitra izany fa mpanohariana, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao. Iza tokoa no ndeha hanohitra fanavaozana? Fana­tsarana ho amin’ny mety sy tsara ary mahasoa kokoa no ho ny teo aloha… Lanja miakatra ny fiainana! […]