Indraimbava

Hafakely

  Tena hafa raha samy hafa tokoa aloha ilay fitondram-panjakana. Tena manao ara-bakiteny! Sambany misy izany fitiliana lainga na “détecteur de mensonge” izany eto Madagasikara. Ireo ho minisitra aloha no misantatra izany. Tsy diso safidy mihitsy ilay Filoha sy ny mpiara-miasa aminy. Ireo mpanao politika malagasy manko dia rainilainga na […]

Tsy misy kononkononina

  Mahagaga ny fanakianana miely etsy sy eroa amin’ny ho fifantenana izay handrafitra ny governemanta faharoan’ny Fanavaozana. Tsy misy zavatra afenina na kobonkobonina anefa, satria, toy ny mahazatra dia misy hatrany ny fandraisana mivantana ny antontan-taratasy eny Mahazoarivo. Misimisy ny olona terem-panahy tsy miandry antso na dokambarotra fa manam-piniavana manatitra. […]

Efa misisitsisika ao avokoa !

  Efa eny antsisin-kianja indray aloha izay vonona hilalao. Samy manao ny fanafanam-batana sy ny fikojakojana moraly. Vitsivitsy rahateo no ho voafantina. Ny tompon’ny teny farany rahateo efa nametraka ny fitsipi-dalao: « choc choc ». Izany hoe, ekipa maherihery sy aingam-pandeha no ho eo. Tsy mpanao daka an-jorony fotsiny, na […]

Misy isainana

  Lesona iray lehibe azo tsoahina tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra ny fifampitokisana. Olona manaja ny teny nomena, tsy mivadi-belirano na eo aza ny tsindry isan-karazany, ny lehiben’ny governemanta vaovao. Nandritra ny fotoana maharitra no efa nijoro ho arofanina izy, tamin’ny toe-javamisy tsy nety teto amin’ny firenena. Tsy nampaninona azy ny […]

Mila lamina

  Tsy hita be ihany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Misy ny fahabangan’ny andrimpanjakana toy ny goverenemanta sy ny Ceni. Misy ny mangitakitaka, fa ao koa ny mibitaka fa mirangorango seza. Sitrany ahay akalana. Fandaminana ho aminn’ny fanavaozana na fanovana izany? Taotrano tsy vita indray andro na efan’ny irery. Vao mainka ny […]