Indraimbava

Asa ihany no mahavelona

  Ny vola, hono, no fototry ny ratsy rehetra. Na ny fitiavana azy na ny tsy fananana azy… Ny fitadiavana, mahazaka maniraka. Tsy inona fa fahantrana no antony sy fotony. Saika izay fahantrana izay no manosika sy manesika amin’izao karazana asa ratsy tsy ampoizina rehetra izao? Vitan’ny sasany amin’izao izay […]

Tsy mikely soroka

  Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny firenena ivelany, ankehitriny. Tsy mandry andro, tsy mandry alina ny filohan’ny Repoblika amin’ny fikarohana lalam-bola. Tsy mifidy mpiara-miombon’antoka intsony fa izay vonona ny hitondra ny anjara birikiny dia « tonga soa ». Tsy mihanona amin’ny mpamatsy vola mahazatra sy ny tandrefana intsony i Madagasikara fa manatona […]

Sahia maka andraikitra

  Anatin’ny « ambiansy » ny fifidianana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa mipetrapetraka avokoa ny paikadin’ny fampielezan-kevitra avy amin’ny ankolafin-kery rehetra na mpanohana, na mpanohitra fitondrana. Indrindra ny mahaleo tena tsy anaty antoko. Efa mahoraka ny adisisika mangingina, mitety tanàna. Manginy fotsiny ny fidinana an-dalambe mampahafantatra ny kandidà sy ny vinan’asany. […]

Mila mahay miara-monina

  Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa nilamindamina ny resaka fijalian-dranon’Antananarivo. Nahavaha amin’ny ampahany betsaka ny olana ny fametrapetrahana barika plastika manerana ny tanàna. Manampy fianakaviana maro ny fivezivezen’ny kamiaobe mpitati-drano. Milamina aloha ny amin’iny na dia vonjy tavanandro sy anenjehana hamehana ihany […]

Vahaolana mahagaga

  Efa mivaha tsikelikely iny ny olan’ny rano. Efa nihena ny mantsimantsina eny ankalamanjana sy ny any anaty fiara fitateram-bahoaka. Efa mba azo iainana ny toerana vory vahoaka. Tsy mahamenatra ny milaza fa nisy fotoana teo aloha tena tsy nahataitra ny mponin’Antananarivo ny fofon-trondromaina, raiki-tapisaka tamin’ny vatan’olombelona. Zary natao fihomehezana […]