Indraimbava

Hafa ihany ny tsy mivadika

  Mitohy ny tantara. Ny teo ihany no mifamadibadika. Iza no manampo fa miverina tsikelikely ny tantara. Mbola tafaverina amin’ny heriny ny Arema na dia amin’ny endriny vaovao aza. Samy amin’ny kajy politika ny rehetra fa hafa raha samy hafa tokoa ny olon’izany amiraly na « deba » izany. Tsy nivadika sy tsy […]

Mandeha miandalana

  Mandeha tsikelikely ny Fanavaozana. Miditra amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ho tetezana miampita ny fitondram-panjakana. Rava ny governemanta, nametra-pialana tamim-pahendrena ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na Ceni. Efa tsy ho ela ihany koa ny ao Tsimba­zaza, raha ny tsilian-tsofina miely. Ho ravana ny Antenimiera! Zava-dehibe […]

Mandrodana indray !

  Tokony ho efa hivoaka anio ny anaran’izay ho Praiminisitra faharoa amin’ity fitondran’ny Fanavaozana ny Repoblika ity. 48 ora no heno fa hanoloana an-dRajaonarivelo Herintsalama, asa izay ho fahamarinany ? Misy koa anefa ny vaovao niely fa 10 andro no handaminana ny zava-drehetra. Samy miandry am-pitoniana, araka izany. Samy manana, […]

Samy hotsarain’ny tantara

  « Tic-tac,tic-tac… », hoy ny  feon’ny famantaranora izay, rehefa mba ilaina manenoneno izy fa misy tranga na vaninandro lehibe andrasana izay.  Mahasasa-miandry mihitsy ny fihodin’ny « Lera », rehefa mba anisan’ilay manantenantena raha manjary iny ny tena. Midobodoboka manaraka ny fihodin’ny fanjaitra ny fo. Mangitangitaka izany ny fanahy. Inona no tian-kambara! Efa misahotakotaka […]

Andrasana ny fanavaozana

Araka ny hita sy re, novoizin’ny fampahalalam-baovao, nitondra fanamarihana mahakasika ny fanarenana an’i Toamasina ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nangataka fanazavana izy amin’ny antony mampitarazoka ny fandehan-draha, iray volana aty aorian’ny faharavana. Sambany angamba no nisy manampahefana nahasahy niteny ampahibemaso ny fomba fiasan’ireo mpiantsehatra amin’ny fitantanana ny voina sy traboina. […]