Taorian’ny fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) dia manao ranolava ny fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny. Tsy amin’ny raharahan’ny samy fanjakana, indrindra ny amin’ny tsy miankina. Mahavelom-bolo ny fifanomezan-tanana amin’ny fikambanana, na vondron’olon-tsotra. Misy ny fiarahana mirona amin’ny lafiny sosialy sy ny toe-karena. Anisan’ny teboka tsy azo tsinontsinoavina amin’ny fametrahana […]
Indraimbava
Mifanahim-bibidia
Vita izay ny fivoriana isan-karazany, nandraisana vahiny. Nilamina tokoa ny tanàna tao anatin’ny andro vitsy. Nadio ara-bakiteny sy ara-keviny ny teto an-drenivohitra. Voafehy ny fitandroana ny filaminana teto am-povoan-tanàna sy ny manodidina. Tsy nandrenesam-baovao na nahitana ranty mahakasika ny asan-jiolahy ny fitaovana fampitam-baovao sy ny tambajotran-tserasera. Nandalo dia nisera […]
Milamina… mandroso
Anisan’ny vaindohan-draharaham-panjakana amin’izao ny amin’ny tsy fandriampahalemana? Misesy ary mitohy ny fidinana ifotony. Tsy misy fampandrosoana raha tsy mitoetra sy maharitra ary azo antoka ny fandriampahalemana. Izay no ahazoana miasa sy mamokatra amim-pitoniana, iarovana sy anohizana ny ezaka vita… Nefa tsy misy koa izay fandriampahalemana marina sy maharitra, raha […]
Maloto sahady
Vita izy izay ! Manomboka maloto sahady ny tanàna. Efa mahita potika plastika sy fako miparitadritaka eny amin’ny arabe sy ny sisiny. Manomboka misy rano hafahafa mitsika eny rehetra eny, asa efa hanaovan-dry zalahy na zavavy maloto sahady? Tena mahavariana ilay toe-tsaina. Misy dia manao fanahy iniana mihitsy tsy te […]
Miara-mitantana
Vaovao nahoraka, omaly ny mahakasika ny fitantanana ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe indianina. Andaniny, manamafy ny frantsay fa misy tokoa ilay fehin-kevitry ny Firenena mikambana mahakasika ny Nosy malagasy manodidina na ny “Iles éparses”. Ankilany, tsy manaiky ny hamerina izany ho an’i Madagasikara kosa anefa izy. Ny fiaraha-mitantana no […]