Indraimbava

Tsy maintsy miara-midinika

  Mihamazava amin’izao fotoana izao ny zotra politi­kan’ny fanavaozana ny Repoblika. Mivelatra amin’ny anko­­lafin-kery rehetra. Tsy ankanavaka loko fa afaka mandray anjara daholo na ny volomboasary aza. Efa hitahita soritra izany ankehitriny. Tsy maintsy miditra amin’izay rahateo noho ny hamehana maro isan-karazany. Iaraha-mahita fa tsy araka ny nantenain’ny mpitolona ny […]

Mahamay ny kianja

  Mahamay ny kianja hilalaovana politika amin’izao fotoana izao. Mipoipoitra daholo ny andrarezina, manana ny maha izy azy. Nanaitra ny olon-drehetra ny fahitana ny filohan’ny antoko Avi, niakatra teny an-dapa. Tsy nisy nipika ny dinika fa ny azo ambara, matoa mivoaboaka iny « raiamandreny » iny, efa misy raha ao […]

Maty etsy, maty eroa !

Somary mangingina ny fivoizina ny zaza very tato ho ato, na dia mbola maro aza ny tranga. Izay manana fahasahiana no manao antso avo ampahibemaso. Ny pejy na kaontin’olon-tsotra efa tsy sahy manao ranty amin’ny tambajotran-tserasera. Maro ny tsindry sy fanenjehana izay mizara fa lazaina ho mpampihorohoro saim-bahoaka. Tsy azo […]

Malagasy iray tsy mivaky

  Mahatsiravina ankitsirano ny mijery sy mamaky ireo ranty hataon’olona maro avy any amin’ny faritra sasany mivoy fankahalana foko iray eto amin’ny tanàna. Tsy hay mazava ny tanjon’izy ireny. Ny zavatra hita, tafiditra any anatin’ny ekipa ny mpanakanto malaza sasany. Tsy mandefa fisainana lavitra kanefa dia miorom-ponenana miaraka amin’ny olona […]

Resabe isan’andro

Tena mahita atao mihitsy ny Malagasy mpanao politika amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky tsy maintsy hahenoana resabe. Misy ny matotra, misy ny misavoamboana fa ny zavatra itovizany : ny vahoaka hatrany no mandray ny kihony. Anisan’ny nanaitra ny ranty tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika volabe an-jatony tapitrisa Dolara. Vola natokana ho an’ny traboina […]