Indraimbava

Miara-mirona

  Hankalazaina rahampitso ny tsingerin-taona voalohan’ny tolona nandrodanana ny filohan’ny Repoblika teo aloha Rajoelina Andry. Hisy ny fotoam-pankalazana manetriketrika manerana ny renivohitry ny faritra, ankoatra ny eto an-dRenivohitra. Hanao rodobe eny Ambohidahy ny avy amin’ny Fitondrana. Hiolomay hamonjy tanindrazana ny delegasionina mamita iraka any Etazonia. Hiara-mirona avokoa ny fikambanana sy […]

Tsy mandry am-piadanana

  Mitohy, saingy tsy mahoraka intsony ny fisian’ny olona very sy matimaty. Saika isan’andro tsy mifidy ora, fa misy ny ranty sy filazana fa tsy hita, hono, Ranona na hoe hita faty, hono, Ranona. Samy mikombom-bava avokoa ny olom-pirenena. Ny ray aman-dreny lasibatra efa tsy handrenesam-peo. Aleony mangina tsy hanaovana […]

Malailay fonosana

Tao anatin’ny herinandro maromaro, mihazakazaka ny fananganana vovonana na fikambanana ho mpanohana fitondrana. Mifanindran-dalana amin’izay ny fahasarotam-piaron’ny mpitolona mahakasika ny seza azony. Miseholany ny fanehoan-kevitra mifanohitra, mahakasika an’i Kolonely sy ny Fanavaozana. Ny avy ety ivelany, niofo sy namadika kravaty, manao be fiavy, tsy miala alavitra ny filoha sy ny […]

Dieny izao…

  Hanao ahoana ny hoe fanavaozana? Na fanovana… Ny atao no mahasoa na maharatsy. Iadiana fo mafy amin’izany ny tsy hiverimberenan’ny krizy politika intsony. Fanararaotra izao, fanarenana sy fanonerana izay tsy nahombiazana hatramin’izay ary fanorenana ny hoavy. Inona no tena lesoka? Ny rafitra, ny lalàna, ny fomba fiasa… Fijery sy […]

Tsy mahavita tena!

  Nafotaka ny fotoam-panokafana ny fankalazana ny herintaona nisian’ny hetsika “Gen Z”, izay niafara tamin’ny fionganan’ny mpitondra teo aloha. Fety nialohavana fotoam-bavaka izany. Andaniny, misy ny faly. Ankilany, mbola maro no mitomany sy malahelo noho ny hadisoam-panantenana. Nivadika manko ny rasa. Ny mpitolona sy ny mbola mitady ny tena fanovana […]