Milamina sy mangingina hafahafa izany ilay andavanandron-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Toa tsy misy ny olana fa mizotra tsimoramora eny ilay fiainana. Efa mionona amin’izay miseho na tsy manjary aza ny ankabeazan’ny olona! Zary fahazarana ny miaina anaty zava-dratsy. Izay tsy manaraka ny onjany no toa hafahafa sy voailika. […]
Indraimbava
Mahantra
Mahatonga hiantra ny hoe mahantra. Ahoana ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo amin’ny tsirairay, isan-tokantrano, isam-paritra, isam-pirenena. Tsy afa-bela amin’ny trosa sy fanampiana, ohatra, ny tany mahantra? Na tsy vita ny manapa-kevitra fa mila fahasahiana, fijoroana, fahavononana, fiaretana. Nahoana, ohatra, no hoe manana harena voajanahary tsy hita pesimpesenina na […]
Mpifahavalo miray vilia
Raikitra ity! Efa manomboka ny fampivondronana ny ekipa, hilalao amin’ny fifidianana depiote, ny 29 may 2024. Efa miakatra aty an-dRenivohitra ireo mihevitra ny ho kandidàn’ny antoko manohana ny filohan’ny Repoblika. Mafotaka ny adisisika sy ny ady toerana. Efa mifanipaka an-toerana toa valala an-karona rahateo izy mianakavy. Tsy mbola misy […]
Mihantsy fanjakana
Loza amin’atambo ! Tafakatra 144 ny tahan’ny fanolanana nitranga eto Madagasikara tao anatin’ny roa volana. Mifanandrify indrindra amin’ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika amin’ny hanasaziana mafy dia mafy ny mpanolana : ny famosirana. Maharikoriko ny mahita ny firongatry ny tranga miseholany eny amin’ny tambajotran-tserasera. Isan’andro vaky, misy zazavavy kely na tovovavy tsy ampy […]
Iray tsy mivaky
Nankalaza ny andro natokana ho an’ny tenindreny i Madagasikara, omaly. Nanakoako na tsotra aza ny fomba nentina nanamarika izany. Iza tokoa no tsy hihambo amin’ny azy sy ny maha izy azy ? Indrindra fa firenena latsaka an-katerana tahaka izao. Firenena sy vahoaka izay mila ny fiaraha-mientana sy ny fifanohanan’ny rehetra. […]