Indraimbava

Kilalao maloto

  Madagasikara tsy maintsy mandroso ! Mipoapoaka ny teny filamatra hitondran’ny fanjakana ny raharaham-pirenena. Mahavelombolo ny mihaino azy. Mamoha fanantenana efa mitsipozipozy noho ny hamafin’ny fiainana. Manentanentana, hitady hevitra mafonja mba ho fandraisana ny anjara biriky mifanandrify amin’ny tsirairay avy. Miara-mijery miabo hatrany na inona na inona zava-miseho. Tsy azo atao […]

An-tampon’ny samy reraka !

Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa, indrindra mahakasika ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Tena mampiteny ny tsy afa-miteny ny zava-misy, manerana ny Nosy. Sanatrian’ny vava mamendrofendro fa sintonina ihany ny lakolosy mba hitandreman’ny rehetra. Mety sarotra hinoana, fa tena efa mivaralila, mirona any amin’ny fomba ratsy mamohehatra ny olona. Mahazo vahana […]

Tsy maika…tsy tara

  Manomboka ny ady toerana eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny. Efa mibosesika eny amin’ny biraom-panjakana ny olona. Tsy misy tany iainana ny minisitra amin’ny fandraisana ny mpitsidika, izay sady mirary soa no mikajy anjara “mofomamy”. Ny fifamindram-pahefana no ela dia efa manomboka ny ankisisika sy ny fifaminganana. Eo indrindra no tiana […]

Miantoka ny ho avy

  Miteraka resabe etsy sy eroa ny mahakasika ny fenendrena ilay tovolahy, vao 27 handray 28 taona, ho minisitry ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Maro kokoa ny manana fijery miiba noho ireo matoky ny ho fahombiazany. Any anaty fiara fitateram-bahoaka, eny amin’ny tambajotran-tserasera dia samy manovokovoka avokoa, mitondra fanehoan-kevitra. […]

Tsy hita tabilao

Vita izy izay! Nahazo minisitra vaovao i Madagasi­kara. Tafapetraka ny governemanta. Andrasana ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratonga, hoenti-mampandroso ilay firenena. Omaly, efa nihazakazaka ny fifamindram-pahefana. Samy nilomay namita ny azy ireo afaka nanao izany. Mbola hitohy anio kosa ny an’ny hafa. Misy rahateo ny tsy maintsy manao fifamindram-pahefana indroa miantaona. […]