Na anatin’ny hirifiry aza ny eto Madagasikara noho ny vanim-potoan’ny ririnina dia manga kosa ny lanitra eo amin’ny fampandrosoana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, nanao ranolava ny fitokanana ny fotodrafitrasa napetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby. Saika manerana ny lafivalon’ny Nosy izany. Voakasiky ny asa vita […]
Indraimbava
Mila misikim-ponitra
Trangam-piarahamonina miiba maro no mikapoka ny Malagasy amin’izao: loza, fahasahiranana ara-bola, aretina samihafa hatramin’ny ara-panahy aza toa mivaralila andro aman’alina. Tsy hita intsony izay hanaovana azy fa mivadika ambony ambany. Tsy mahagaga raha tonga hatrany amin’ny fifamosaviana sy fahapoizinana mivantana. Tena hoe mihamaizina ara-bakiteny ny zava-misy. Tsy natao ho […]
Sanganehana sy fanina
Tsy fantatra intsony ny zava-miseho eto amin’ny firenena ankehitriny. Toa mifanohitra izany ny toe-javamisy. Raha ny ezaka ataon’ny fitondrana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, dia manodoka tokoa. Maro ny zava-bita tao anatin’ny fotoam-pitondrana. Tena tsy nisy tao anatin’ny 65 taona nahazoana ny Fahaleovantena. Ao anatin’ny roa andro dia mahoraka ny […]
Mila mitovy tadindokanga
Hanomboka anio indray ny fitetezam-paritra ataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hitodika ao an-drenivohitr’i Matsiatra Ambony indray ny mason’ny mpanara-baovao manerana ny Nosy. Maromaro ny zava-bita hotokanana. Misy ny ao an-tampon-tanàna, eo ireo any amin’ny tanàna manodidina. Betsaka izy ao, hoy ny tsy mahay manisa! Manao rodombe any an-toerana ny […]
Tsy miditra lalina intsony
Araka ny efa fantatry ny vahoaka dia efa any Paris ny delegasionina malagasy hiadisisika momba ny fitantanana ireo Nosy malagasy na ny Iles éparses. Efa mazava iny ny tondrozotra, hirona kokoa any amin’ny fiaraha-mitantana isika. Tsy araka ny tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny hoe fitakiana amin’ny famerenana tanteraka, volana vitsivitsy izay. […]




