Raharaham-pitsarana be mpanaraka indrindra teto Madagasikara angamba ny mahakasika ilay mpanolana malaza, antsoina hoe Da-Willy. Nanimba zazavavikely vao enin-taona monja teny Imerintsiatosika izy tamin’ny herintaona. Nahoraka sy niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny tambajotran-tserasera izy vantany vao nirefotra ny raharaha. 24 ora taorian’ny tranga, voasambotra avy hatrany ny lehilahy. Izy no mpanolana […]
Indraimbava
Fitiavan-tena tafahoatra
Tsy hita be ihany ilay zava-miseho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy amin’izao fotoana izao. Toa mandeha tsy mandeha izany ilay andavanandron’ny mponina, raha ato indray mitopy maso. Velona tsy amin’ny ahiahy ny sarababem-bahoaka. Marina mihitsy ilay tenin’ ny Filohan’ny Repoblika hoe miaina anaty fahasambarana ny Malagasy na eo aza ny […]
Faly ny mifamono
Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! Hita taratra fa tsy miray hina ho amin’ny tsara intsony. Mibirioka ho any amin’ny fifamonoana faobe mihitsy. Ny tena zava-doza, ny samy madinika ihany no mifamotika. Tena tsy misy indrafo fa manao izay tiana atao na hahafaty ny hafa aza. Manao antsirambina ilay […]
Tsy mahazo mamindro
Tsy vitan’ny miaritra hatsiaka fa mbola mizaka ny hirifirim-piainana Ramalagasy. Mahagaga sy mahavariana fa toy ny nantenain-kanirina indray ity no mainka mampivandravandra, ankehitriny. Toa ankatoavina avokoa ity karazana tsindry sy famotehana ankolaka na mivantana ilay vahoaka madinika ity. Tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ara-bakiteny tokoa. Raha ny zava-misy, […]
Fahamboniana ambany
Kasikety mivadika aloha aoriana, akanjo rovitra kiho, pataloa rovitra lohalika sy miborotsaka… Izany no hoe manaraka toetrandro. Lamaodin’ny tanora ankehitriny. Fahamboniana? Te hiala amin’izay tsara sy mahasoa ary mahafinaritra mahazatra. Dia miditra amin’ny tsy misy mpanao hoe mampiavaka… Any amin’ny saina no misy kely na tsy ampy kely? Mivadika aloha […]




