Indraimbava

Harendrina ô!

Ao anatin’ny herinandro fankalazana ny fetim-pirenena izao. Harendrina ô! Famoahana afo ny fanaovana harendrina izay fomba tranainy teo amin’ny Malagasy. Ny hariva mialoha ny andro fandroana sy ny fandroana izay famoahana afo izay. Tsy inona ny harendrina fa afo arehitra amin’ny bozaka voafatotra eny an-dohan’ny hazo lavalava entin’ny ankizy mandehandeha […]

Hafa rehefa mazava

  Atao izay lazaina, lazaina izay atao. Izay ny fitondram-panjakana amin’izao? Tsy inona fa ny amin’izay mampisara-kevitra be ihany tato ho ato izay: ny fahatapatahan-jiro efa ho lava. Mandra-pahoviana? Mazava ny fanazavan’ny filohan’ny Repoblika farany teo ny amin’izay antony fototra sy izay (h)atao. Zava-doza, ohatra, ny hoe nanjavona ny solika […]

Aleo mangina

Anisan’ny vaovao mbola mahaliana sy be mpanaraka amin’izao fotoana izao ny mahakasika ilay fanapoizinana faobe teny Ambohimalaza fa tsy Imerinkasinina. Efa tafakatra 20 izao no namoy ny ainy, ary mainka mitobo ny marary miaina fahasarotana. Manoloana izany, mipetraka ny fanontaniana hoe: inona ny olana ao amin’ny hopitaly ao. Efa fantatra […]

Minaonaona tsy amin’antony  

Anisan’ny firenena manana olona tia mimenomenona sy miresaka i Madagasikara. Raha vava aloha dia samy manana tokoa. Olombelona tompon’ny hevitra ihany koa satria dia tena mahay sy be atidoha. Tsy vitan’izay fa anisan’ny mponina tena fetsy na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. Raha atao bango tokana, ampy ny hoenti-miatrika izao […]

Mila fiovana

  Raha atao indray mijery, toa tsy mba misy zavatra miabo mihitsy miseho eto Madagasikara. Maro ny toe-javamisy maloto toy ny faty olona, fandrobana, aretina, sns. Raha ho an’ny olona ambany moraly, toa tsy misy fanantenana intsony ny ho avy. Tena hoe efa mikororoso ambany sy mena avokoa ny famantarana. […]