Indraimbava

Takon’ny vola

Ohatry ny somary nangingina izany ny fiainana politika eto amin’ny tanàna. Asa ? Samy efa manomana ny eny an-kianja, hiatrehina ilay fifidianana depiote afaka vola vitsy ve?. Ny eny anivon’ny mpanatanteraka, somary tsy re feo ny mahakasika ny sekreteram-panjakana sy ny ho mpiara-miasa aminy. Mbola mitety tany, mamita adidy rahateo ny […]

Haitao… hay atao

  Mihazakazaka be amin’izao ny fivoarana sy fampiasana ny haitao vaovao, avo lenta, mivelatra… Tsy azo ihodivirana fa azo ampiasana azy avokoa ny sehatra rehetra: manamora ny fiainana, manafaingana izay atao, mampandroso… Mampifanakaiky izay mifanalavitra, ohatra, ny haitao. Misy na tsy ilaozan’izay lafiratsiny toy ny zavatra rehetra izay fihazakazahana amin’ny […]

20 taona ny gazetintsika!

  “TARATRA ny anarany. Hitaratra ny zava-misy rehetra, na eo amin’ny tontolon’ny fihariana sy ny toekarena na koa ny tontolo politika. Hizara aminao ny ezaka sy ny olana mbola sedrain’ny fiarahamonina. Hitatitra ny vaovao ara-panatanjahantena sy ny alavoly. Hanolotra ny mahaliana avy any am-pita, izay tsara arahina noho ny fitsokan’ny […]

Mila fanarenana…

  Mampitampim-bava sy mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Ny olon-dratsy ve no mihamaro sy mihamatanjaka sa ny fanjakana, amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana, ohatra, no tsy maharaka? Na tsy hita loatra ny hoe fanjakana manakaiky vahoaka. Toy izany koa ny hoe mpitandro filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany. […]

Olona… olana

  Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanolanana… Inona koa? O rey olona e, fiarahamonina inona loatra no iainana amin’izao? Olona avokoa no iavian’izany karazan-doza izany, olona koa no ianjerany sy mitondra faisana. Sanatria, misy ny olona mihabiby: tsy mahalala izay tokony hataony, tsy mahaavaka ny tsara sy […]