Hisy sa tsy hisy? Resaka fanovana governemanta no tiana hozaraina. Toa misahotakotaka tsy hita be ihany ry zalahy mpanao politika. Miketriketrika tsy hay hoe manokona inona, ho azon’ny vahoaka ho hanina? Hisy fiantraikany amin’ny andavanandrom-bahoaka ve izany sa tsia? Mety ho an’ny tombontsoa manokana ihany koa, sanatrian’ny vava? Raha […]
Indraimbava
Vahaolana (no) tadiavina
Tsy fandriampahalemana. fidangan’ny vidim-piainana, fahatapahan-jiro sy rano… Ireo no olan’ny vahoaka ifotony amin’izao. Tsy misy afa-tsy fahasahiranana? Na izay no tena mibahan-toerana, tsy takona afenina, tsaroan’ny aina… Aiza izay vahaolana? Manao izay efany sy afany ny fitondrana. Eo ny vahoaka miaina sy mitsara: efa misy fihatsaram-piainana amin’ny fahasahiranana? Amin’izany, […]
Samy be kajikajy
Tsy hita izay holazaina manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Ohatra ny misy kajikajy politika tsy mandeha amin’ny laoniny izany eto an-tanàna. Tsy hay hoe iza no manao inona, iza no miketrika inona. Misy tranga foronina sy hambolena resabe foana isan’andro izao. Toa kisarisarim-piarahamonina milamina, fa miloloha vainafo […]
Mamirifiry, mampangirifiry
Tena efa latsaka anatin’ny vanim-potoana mangatsiaka tanteraka ny eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tena efa mamotsifotsin’ny fanala ny bozaka aman’ahitra eny ankalamanjana rehetra eny. Sanatria, efa hivadika ho lagilasy mihitsy amin’ny faritra sasantsasany. Tena mamirifiry, mipaka amin’ny taolana, ara-bakiteny ny hatsiaka. Mila mitandrina ny olona marefo sy izay taizan’aretina. […]
Mamim-bahiny
Higadona eto Madagasikara androany ny filohan’ny Slovenie. Fitsidihana faharoa nataona lehibe na filoha avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Marika izany fa tsy mikely soroka ny diplaomasia malagasy mikarokaroka izay hivelarana amin’ny firenena vahiny. Izay rahateo ny politikan’ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fotoana. Mivelatra amin’ny vazan-tany efatra. Raha ny fantatra, firenena […]




