Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fahatapatapahan-jiro sy rano… Mila fiaretana sy faharetana ny famahana olana? Mba indray mandeha tsy miverina, azo antoka, mahomby, maharitra… Miandry sy manantena ny vahoaka. Tsy inona, ohatra, izay fiaretana fa fahoriana, raha tsy mitera-bokatra ho amin’ny fiainana… lanja miakatra. Mandra-pahoviana? Tsy misy olana tsy azo vahana. […]
Indraimbava
Izay miasa ihany no ratsy
Miverimberina tsikelikely eny anivon’ny mpanao politika indray ny resa-tseza sy fizaran-toerana. Manomboka miketriketrika indray ry tsy mahandry tantana. Somary nilamindamina izany nialoha ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena. Samy nitady fitoniana kosa ny olom-pirenena rehetra. Nisy ireny karazam-boina nisesisesy ireny rahateo nanahirana ny saim-bahoaka. Efa betsaka ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana amin’izao […]
Tsy afa-miala ny vahoaka
Vita soa aman-tsara ny fety aman-danonana, nanamarihina ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Toy ny isan-taona, nisy hatrany ny zava-baovao manamarika izany. Miezaka rahateo ny hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia Ramalagasy amin’ny endrika ivelany. Tsy miala lavitra ny fitsoky ny rivotra amin’ny jeopolitika maneran-tany kosa amin’ny votoatin’ny hetsika. Nahafapo aloha ny tolotra […]
Mifalia na izany aza!
Tonga ny asaramanitra! Hakotrokotroka ny fankalazana eto an-dRenivohitra. Ho jejojejo ny mponina fa mahazo fitaovam-pitaterana manara-penitra. Tsy vitan’izany fa mbola “ hampirevena” amin’ny seho isan-karazany, mba hanadinoana ny sorisorim-piainana sy ny fahoriana isan-karazany. Maro isafidianana izy ao. Tena manao izay ho afany ny fitondrana mba ho fotoam-pankalazana tsy ho hay […]
Samy mitandrina
Mahoraka manerana an’izao tontolo izao ny fifampidarohana baomba ataon’ny samy vazaha. Mifampitady hatrany ny iranianina sy ny israelianina. Niaraha-nahita fa niditra ihany koa ny Be kintana. Efa mandrahona ny hanao tambabe ny tatsinanana rehetra. Mbola mizarazara kosa ny tandrefana. Manomboka mahita faisana ny sivily, indrindra ny zaza amam-behivavy. Tsy misy […]




