Indraimbava

Maloto fisainana

  Raikitra izy ity ! Efatra andro aorian’ny fiandohan’ny taona, miverina tsikelikely amin’ny fanao mahazatra Ra­malagasy. Manomboka ny ankisisika fiara fitateram-bahoaka. Miverina ny varotra amoron-dalana. Mamonjy ny birao fiasany ny mpiasam-panjakana. Samy mamikiviky mamita izay iraka ankinina aminy. Samy milofo amin’ny anto-pivelomany, ahitana izay hatokon’ny ankohonany. Mazava iny ny an’ny mpitondra […]

Vonon-kiady !

  Vita izay ny fety ! Hiverina amin’ny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano. Hiroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny fanamby napetraka ny fitondram-panjakana vao voafidy. Efa nivoaka tamin’ny fahanginany iny ny filohan’ny Repoblika. Mazava ny teny nataony fa tsy maintsy tazomina ny vava navoaka, indrindra mahakasika ny fampandrosoana an’i Madagasikara. […]

Taom-panambinana

  Arahaba soa, arahaba tsara mahatratra ny taona vaovao. Amin’ny toy izao, mandeha ho azy ny firariantsoa: hitondra soa sy fanambinana ny taona vaovao, ho taon-jina… Nefa tsy ny taona vaovao no hitondra inona, fa ny tsirairay arakaraka izay ataony sy vitany no mitondra soa sy fanambinana amin’ny taona vakivakiana. […]

Lesoka fakana lesona

Andro iray sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2023. Taona izay nisehoan-draha maro teto Madagasikara. Nisy ny nahafinaritra sy ny nahasoa. Tsy takona hafenina kosa ny ngidim-piainana izay tena niantraika hatrany anaty vilanin-dRamalagasy. Tena taonan’ny fahantrana faobe sy fijaliana nihoapampana izany ho an’ny sarambabem-bahoaka.  Mampieritreritra! Etsy ankilan’izay, tsy azo odian-tsy […]

Tsy hijerena tavan’olona

  Tao anatin’ny andro vitsy, vantany vao vita ny Noely dia nipoitra tsikelikely ny « ady seza ». Mivoaka tsimoramora eny amin’ny tambajotran-tserasera ny fisehosehoana sy fisolelafana ataon’ny mpanao politika sasany. Misy aza ny lany henatra, efa namadika palitao fony mba nahazo vahana kely ilay vondron’ny kandidà 11, indreo fa mitady hiverina […]