Indraimbava

Fanabeazana aloha!  

Nivoaka iny ny tatitra avy amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly. Mbola loha-lisitra hatrany ny avy eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny tontolon’ny fananan-tany kosa no nahazoana fitarainana be indrindra. Niavaka tamin’ity taona ity,  nihena be ny fitoriana ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Toraka izany ny fahasalamana, izay nampikaikaika […]

Mitohy ny tolona

  Manamarika ny Andron’ny 13 mey i Madagasikara, anio. Andro mirakitra ny tolom-bahoaka namadihana ny tantaram-pirenena. Tolona niampitan’ny Repoblika voalohany nankany amin’ny revolisionina mena. Nanomboka teo no nitsimbadibadika ny fironana politika sy ny ideolojia novoizin’ireo nilaza fa tena tia tanindrazana. Hatreto, tsy hita be ihany ny tena fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. […]

Manomboka eo amin’ny tena…

  Ihazakazahana ny hoe fampandrosoana amin’izao? Maika avokoa ny zava-drehetra, marolafy… Mby aiza? Ny mampanontany tena koa: mba tena liana sy vonona amin’ny hoe fiovana sy fampandrosoana ve, ohatra, ny tsirairay, ny isan-tokantrano, ny fiarahamonina, ny faritra… ? Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana sy fanovana. Tsy iandrasana ny hafa […]

Masina Masina

  Efa niasa avy hatrany, 24 ora taorian’ny nahavoafidy azy ho Papa Ray Masina, i Léon XIV. Ankoatra ny tsodrano nataony afakomaly alina, ho an’ny kristianina maneran-tany sy ny katolika, anisan’ny be mpiandry ny lamesa rahampitso. Hihazakazahana ny mankany Vatican, eo amin’ny Kianjan’ny Masindahy Piera. Zava-dehibe sy mifono zava-dalina ny […]

Mihetsiketsika be!

  Mbola mafampana ny raharaha politika. Mangotran­gotraka kely taorian’ilay raharaha “Patrick Gate”. Ampamoaka nipoapoaka, niafara tamin’ny fanesorana ny lehiben’ny mpanao famotorana teo anivon’ny zandarimaria. Tsy mbola mangina tanteraka akory ilay fanambaran’ny kolonely. Samy mifampitazantazana sy mifampiandriandry ny rehetra. Tsy maintsy mailo sy malina ny olom-pirenena. Mila mitandrina amin’ny zava-drehetra mba […]