Indraimbava

Vavan’ny samy manana

  Hiakatra kianja indray anio ny governemanta sy ny depiote. Amin’ny 10 ora maraina no voalaza fa haneno ny lakolosy ho fanombohan’ny fifanatrehana amin’ny minisitra sy ireo mpanao lalàna… Haharitra roa andro ny fihaonana hoenti-mifanadina izay vita tao anatin’ny herintaona nihaonana farany. Asa, hanao ahoana ny ho fizotry ny lalao […]

Valalan’amboa!   

  Hisy sa tsy hisy? Resaka fanovana governemanta no tiana hozaraina. Toa misahotakotaka tsy hita be ihany ry zalahy mpanao politika. Miketriketrika tsy hay hoe manokona inona, ho azon’ny vahoaka ho hanina? Hisy fiantraikany amin’ny andavanandrom-bahoaka ve izany sa tsia? Mety ho an’ny tombontsoa manokana ihany koa, sanatrian’ny vava? Raha […]

Vahaolana (no) tadiavina

  Tsy fandriampahalemana. fidangan’ny vidim-piainana, fahatapahan-jiro sy rano… Ireo no olan’ny vahoaka ifotony amin’izao. Tsy misy afa-tsy fahasahiranana? Na izay no tena mibahan-toerana, tsy takona afenina, tsa­roan’ny aina… Aiza izay vahaolana? Manao izay efany sy afany ny fitondrana. Eo ny vahoaka miaina sy mitsara: efa misy fihatsaram-piainana amin’ny fahasahiranana? Amin’izany, […]

Samy be kajikajy

  Tsy hita izay holazaina manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Ohatra ny misy kajikajy politika tsy mandeha amin’ny laoniny izany eto an-tanàna. Tsy hay hoe iza no manao inona, iza no miketrika inona. Misy tranga foronina sy hambolena resabe foana isan’andro izao. Toa kisarisarim-piarahamonina milamina, fa miloloha vainafo […]

Mamirifiry, mampangirifiry

  Tena efa latsaka anatin’ny vanim-potoana mangatsiaka tanteraka ny eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tena efa mamotsifotsin’ny fanala ny bozaka aman’ahitra eny ankalamanjana rehetra eny. Sanatria, efa hivadika ho lagilasy mihitsy amin’ny faritra sasantsasany. Tena mamirifiry, mipaka amin’ny taolana, ara-bakiteny ny hatsiaka. Mila mitandrina ny olona marefo sy izay taizan’aretina. […]