Indraimbava

Fitandremana hatrany

  Lalam-piainana tsy maintsy izorana ny fahafatesana. Maromaro anefa tato ho ato ny tranga namoizana ain’olona amin’ny fomba feno habibiana. Betsaka ny tranga tampoka loatra. Maro no niala ny trano hikarama tsy niverina intsony miaraka amin’ny ainy. Tsy vitsy ny niharan’ny ankasomparana sy ny fisotasotana ka niharan’ny vono olona ankitsirano. […]

Mivaralila! 

Tsy hita ho lazaina fa mahatonga saina ny zava-misy ankehitriny. Mitady hanjaka ny faharomotana faobe. Tsy olon-tsotra, tsy manampahefana fa mirintondrintona be fahatany. Ny manana basy mitifitifitra, ny manana sandry mikapokapoka, ny manana vava manasa vangy. Tsy misy fitoniana fa mifandrangitra ohatry ny olona marary saina. Ny tena mampiteny ny […]

Rano …masina

  Nanao ranolava tato ho ato ny olona maty an-drano na ireo niniana novonoina ka navarina an-drano. Loza toy ny loza rehetra ireny raha atao fijerin’olon-tsotra. Mampieritreritra kosa anefa raha amin’ny lafiny finoana sy ara-panahy. Ny rano rahateo no fototry ny aina, saingy ny rano indray ity, ankehitriny, no maningotra […]

Mandeha mafy sy lavitra 

  Anisan’ny ahalalan’ny any ivelany an’i Madagasikara, hono, ny hoe moramora. Mba marina? Samy mandini-tena, mitsara… Eo koa ny hoe am-boalohany ihany rehefa mandeha na manao zavatra. Afo-mololo? Nefa misy ny fiteny malagasy izay hoe ny hazakazaka tsy dia: tsy mahalasa lavitra ny fihazakazahana tsy amin’ny antony. Maika tratran’ny miadana. […]

Toa tsy misy vidiny

  Mahakivy tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky no handrenesana sy ahitana faty olona etsy, razana eroa. Mitsitsitra sanatrian’ny vava, tsy misy vidiny ny ain’olombelona. Ny tena mampihaiky volana dia ity fomba feno fahasahiana sy feno habibiana hataon’ny olon-dratsy. Ankoatra ny fantatra mazava ny antony dia mampiahiahy ny […]